Noana

Noana

Dia io fa seza indray no iadiana,
Seza foana no maha-ratsiana,
D’ireo vahoaka no ampihafiana
Tsy ho anaty lisitr’izay fandaniana.

Dia io ‘lay vahoaka valàla voatango
fa kizo fara sy rovitra akanjo
sy efa tsy homana rehefa antoandro
Ny sasany anefa midingina rambo

Seza, sakafo, harena sy vintana
Ireo no miantona amin’ilay lelam-pintana
Ranontsira mamafy hetaheta
Mampiraparapa ny olon-drehetra.

Dia ito aho fa mivanàka eto ihany
Ny paiso atsy an-kady anefa ho lany
‘zalahy tsy hizara no sady tsy hikaika
Fa hadalàko hono no tsy mba niraika

Avylavitra 30 septambra 2011, 09 : 45 mn alina

Tononkalo malagasy (Raozigasy)

ezahina zaraina amin’ny malagasy rehetra ny fitiavana ny

« Tononkalo malagasy  »

Ianao ry tononkalo, no namako sy arofaniko
Ianao ry soratsoratro, no fefy miaro ireo vinaniko
Ianao ry diam-peniko, no lalam-piainana alehako
Ianao ry teny mamiko, no tabiha sy reharehako

Ianao ry teny malagasiko, no fizarako ny hetaheta
Ianao ry teny kanto indrindra, no nahatonga ahy ho poeta
Ianao ry teny izay tsy foiko, no fizarako irony vetsoko
Ianao ry teny tonga lafatra, no hitantarako izato sentoko

Ianao ry teny nolovaiko, no tena tenin-dreharehako
Ianao ry teny holazaiko, no anambarako ny firehako
Ianao ry teny manan-jina, no manasina ny vavako
Ianao ry teny feno haja , no mamatotra ahy sy ny havako

Koa ny toky omeko anao, ry tononkaloko ry teniko
Ny voady ataoko aminao, ry kanto lova avy amin-dreniko
Dia matokia hatrany ianao, raha mbola tany koa ny tany,
Fa tokana ny Teny tiako, ilay Teny Malagasy izany

Raozigasy

ZARAO ETO (Raozigasy)

ZARAO ETO

Zarao eto ny alahelo nokotrehim-po voadona
Zarao eto ny hadisoana rehefa iny ianao nifona
Zarao eto ny hatezerana, sy ireo otri-balifaty
Dia hihamaivana ianao, raha mivoaka ireo tsy tanty

Zarao eto ny hafaliana, mampitsiky izany tava
Zarao eto ilay fitia, mampisioka izany vava
Zarao eto izany vetso sy embonembona fitia
Dia ho faly ny tontolo, ka an-tsiky no miria

Zarao eto ny hetaheta, ao anatinao mangina
Zarao eto izany nofy, sy hasambarana ho zina
Zarao eto ireo kinasa, novetsoina hotanteraka
Dia hisinda avokoa ireo asa saina izay mandreraka

Zarao eto ireo fijery, sy fahitanao ny tontolo,
Zarao eto na dia hevitra, heverinao fa hoe bontolo
Zarao eto ny fisaina, fibanjinanao ny ho avy
Dia hivadika traik’efa, lesona ho an’ny mpianakavy

Zarao eto ireo kanto, nataonao tsiambararoa
Zarao eto ireo talenta, ho soratra sy masoivoho
Zarao eto ireo fahaizana, izay harenanao miafina
Mba ho kanto malagasy, irin’ny sasany ho tahafina

( http://vetso.serasera.org/news/raozigasy )

tsy misy lohateny

Hoy ny namako iray (Pissoa) raha namerina ity tononkalo nosoratako ity ho ahy “Ataoko dika petaka eto ilay tononkalo tary amiko mikasika ny fetin’ny Ray – 21/06/2008“. Antony iray  tsy mba nanànan’ity tononkalo ity lohateny dia satria fanamarihana nataoko tamin’ny zavatra nosoratan’ireo namana hafa nanodidina ny andro natokana hankalazàna ny Fetin’ny ray tamin’ny 2008 izy ity.

Na fetin’ny ray io na fetin’ny reny
Aoka ho tsaroana ombieny onbieny
fa olona roa mifameno izy ireny
ka tokony henoiny rehefa miteny

Raha i Neny malefaka mandambolambo
‘lay mahatonga ny ankizy hidingina rambo
dia i Dada no lasa ‘lay mpivazavaza
Ny tanjon’ireny: mba ho hendry ny zaza

nefa na dia misy aza ireo be dongy
tsy vitany kosa ny hamely totohondry
miteny, mananatra izy, midradradradra
mbola tanjon’ireny ny hahendry ny zaza.

Avylavitra

Iny alina iny

INY ALINA INY

Misy mantsy irony alina
Ahatsapana fahasambarana
Ao anaty nofy lalina,
Ka toa satry tsy hifarana.

Misy koa ny fahamaizinana
Satrinao mihitsy haharitra
F’ao anaty fahanginana
no iainan-java-mahafinaritra.

Satrinao ny akoho tsy haneno
Hanambara ny maraina,
Fa ny fonao mbola feno
Rotsirotsy tsy hay lazaina.

Ny oram-pamantaranandro
Satrinao raha mba hihisatra
Irinao ilay masoandro
Hidaraboka hibolisatra,

Na mba hoe hitaredretra
Raha ihany hoe tsy maintsy ho avy
F’ianao mitovy tarigetra
Amin’irony mpamosavy

Eny, ianao tsy mety laizin’
ny hatsiaka mampangovitra
Satrinao ilay voalin’ny haizina
Tsy ho rava, tsy ho rovitra.

Saingy faniriana ihany
Nofinofy revin-gadra
Tsy ho to akory izany
Na hitomany, hidradradradra.

Ka tsenao am-pitsikiana
Ny marainanao vaovao
Eny, raiso an-kafaliana
Ny androm-pahavelomanao.

Dia izay vita hatreo aloha
No ataovy fahatsiarovana
Hanovozana herim-po
Raha tojo oram-palahelovana.

DotMG, 28 sept 2011.

K’izaho ve?

Roa taona lasa izay no nanoratako ity tononkalo ity. Toa mifanandrify indrindra amin’ny zavatra miseho amin’izao fotoana anefa ny votoatiny. Misaotra betsaka indrindra an’i Endrika01 nametraka fanamarihana tao anatin’ny vohikalan’ny Serasera.org izay nametrahako azy tamin’izany roa taona lasa izany, izay arahabaina ihany koa nahatratra ny tsingeringerina faha-folo nijoroan’ny vohikala.

Indro averiko etoana kosa izy ho vetsovetso iraisako aminao, ho tandindon’ny lasako, ary ho fanosisako sahady ny hoavintsika rehetra.

k’zaho ve? – Avylavitra

Mpanoratra : Avylavitra
Nampiditra : avylavitra
Date: 20/08/2007

K’zaho ve?

Nijery aho dia nahita
f’ireo be sandry sy be fikafika
dia miezaka hatrany hamotika antsika

Dia nijery aho, mbola nahita
f’ireo be hatoka mpangoron-karena
manindry tsy miato ‘zay te hiavo-tena

dia mbola nijery aho fa tsy nahita
na iray aza tamintsika
sahy hitsangana sy mba hiteny
hamaky bantsilana ny toy ireny

k’zaho ve?
‘zaho no antenaina hitarika foana?
‘zaho no atosika ho eny anoloana?

ny vavako ny ahy no haiko ampiasaina
k’aleoko mijanona ho mpanolotsaina
tsy eken’ny saiko ny hoe latsak’aina
ho an’ny maro…tsy mahay mifangaro.

Hijerijery aho ary enga hahita
fa mbola hitambatra ihany ‘reto isika.
Am’zay aho angamba ho sahy hitanty
na hamoy aina mihitsy ho faty
sy ho latsak’aina
ho an’ny maro… lasa nifangaro.

Avylavitra
(07 jolay 2007 06h 54 mn AM)


Atolotra manokana ho an’ireo zatra miravaka ny vangim-boay matin’ny sasany

Ilay DADA

ILAY      DADA

Objet : Atolotra ny ray malagasy rehetra isan-tokantrano

Ilay tokana eto an-tany
Mpizara hanihany
Mpizara sangisangy
Mpizara tambitamby

Ilay andrin’ny ankohonana
Mpanome fiononana
Raha sendra hakiviana
Raha tojo fahoriana

Ilay tsikim-pifaliana
Mpitondra hamamiana
Ho an’ny fianakaviana
Tia sady tiana

Ilay hery fiarovana
Tsy mahay torovana
Mpisedra sy mpiaritra
Ilay fiainana adi-sarotra

Ilay arahabaina androany
Satria ny eran-tany
Dia miara-miombom-bavaka
Ho anao miavaka

Nosoratan’i Raozigazy ho an’i Ray Malagasy rehetra manerana ny tany

http://www.facebook.com/l/;http://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ilay-dada

Vetso.serasera.org

Maro ny takelaka azo tsidihana ao amin’ny vohikalan’ny SERASERA.ORG, fa notsongaiko manokana ny VETSO.SERASERA.ORG. Sehatra iray ifanenan’ny kanto Malagasy sy ny mpankafy azy izy io. Tsy natao ho an’ny matihanina irery anefa ny fandraisana anjara ao, fa na ianao mamaky ity hafatra ity aza dia afaka mametraka izay vetsovetsom-po na aingam-panahy sendra nandalo taminao ka noraiketinao an-tsoratra. Iza no mahalala, mety ho izay soratra kely napetrakao izay no hitondra anao ho amin’ny sehatra avo atsy aoriana.

Manerana ny vazan-tany rehetra no nipoiran’ny kanto voarakitra ao amin’ny VETSO.SERASERA.ORG, ary maroloko sy tsy mialonjafy ihany koa.

Isan’ireo nametraka ny kanto avy aminy i Raozigasy, ary tena nitondra fofona namerovero tonga hatraty anaty fo sy fanahiko koa, ka dia zaraiko aminao.

Manentana anao aho mba handalo kely amin’izany takelaka izany, na dia ho minitra vitsy monja aza fa tsy hanenenanao ny mahalala fa hay marobe ny Malagasy no mànana talenta, ary marobe ny Malagasy no mbola mitàna tsara ny fomba fanoratra sy ny tsipelina nolovainy.

Indro ary atolotra anao izay vokatry ny tany entin’i Raozigasy:

=========> ZARAO ETO

Zarao eto ny alahelo nokotrehim-po voadona
Zarao eto ny hadisoana rehefa iny ianao nifona
Zarao eto ny hatezerana, sy ireo otri-balifaty
Dia hihamaivana ianao, raha mivoaka ireo tsy tanty

Zarao eto ny hafaliana, mampitsiky izany tava
Zarao eto ilay fitia, mampisioka izany vava
Zarao eto izany vetso sy embonembona fitia
Dia ho faly ny tontolo, ka an-tsiky no miria

Zarao eto ny hetaheta, ao anatinao mangina
Zarao eto izany nofy, sy hasambarana ho zina
Zarao eto ireo kinasa, novetsoina hotanteraka
Dia hisinda avokoa ireo asa saina izay mandreraka

Zarao eto ireo fijery, sy fahitanao ny tontolo,
Zarao eto na dia hevitra, heverinao fa hoe bontolo
Zarao eto ny fisaina, fibanjinanao ny ho avy
Dia hivadika traik’efa, lesona ho an’ny mpianakavy

Zarao eto ireo kanto, nataonao tsiambararoa
Zarao eto ireo talenta, ho soratra sy masoivoho
Zarao eto ireo fahaizana, izay harenanao miafina
Mba ho kanto malagasy, irin’ny sasany ho tahafina

( http://vetso.serasera.org/news/raozigasy )

Isaorana manokana i Raozigasy tamin’ny namelany ny hametrahana ny asa sorany teto.

NENY Ô !

Matahotra ny tsy ho tafiditra eto intsony alohan’ny fetin’ny Reny aho, ka dia alefako sahady dieny izao ny FIRARIAN-TSOA ho anareo VEHIVAVY rehetra mamaky ity hafatra ity. Tsy àry ny olona raha tsy nisy anareo, tsy re ny tomany raha tsy teo ianareo, feno ny tany noho ianareo. SOA SESEHENA noho izany no noraisina koa indro misy tononkira (miala tsiny fa tsy haiko izay tompony, mba ampio aho)  iray hanampiako izay voalaza.
Andriamanitra anie hitahy ny VEHIVAVY REHETRA TSARA SITRA-PO.

Neny ô
Ianao no fahazavana, nanafosafo sy nihantàna,
Masoandro nahitako ny tontolo,
Nandrotsy, nitaiza sy nikolo.

Ianao no andry nijoroako,
nandritry ny fotoam-pahazazako.
Nibaby sy nitrotro sy nanondrotra.
Ianao tsy nikely soroka.

Fiverenana:
Fisaorana ry Neny no atolotro anao
Isaorana ireny soa vitanao

Neny ô!
Ny fiainako rehetra
Ho anao, ho anao tsy misy fetra,
Atolotro anao ry Nolalaiko
N’inon’inona, eny na ny aiko

Ho tratry ny taona maro mitsingerina indray e!
Saiky homeko teto ny hira misy feony amin’io fa tsy misy fampidirana MP3 tato.

FAHATSIAROVANA

Fahatsiarovana

60 taona no lasa
ka avia ary dia mba tsahivo
tamin’zany no kila sy may
‘lay lapan’Antananarivo

Ory ny fon’ny vahoaka
nahita ireo dona-tsetroka.
Any anatiny mangorohoro
te-hitroatra ary koa sempontsempotra.

Vetsovetson’ny fo tamin’izany,
ny sisa mba reko tety
hoe rahoviana vao mba hisy indray
ny ho solon’ity lapa ity?

Kinanjo fe ankehitrirny
tsy nisy izay nanelingelina
nijoro ilay Andrin’Iarivo
nitsangana ilay RAJOELINA.

Nampian’ireo mpanolotsaina
mitafy ny fanantenàna
hanorina iray vaovao
ho lapan’izato tanana.

Dia lapan’ny tanàna mijoro,
voakaly sy manara-penitra,
manaraka ny toetr’andro
no tsara tarehy sady mendrika.

Ny asa rehetra avy eo
dia ho fanasoavam-bahoaka
mitana ny marina hatrany
ho lavitr’izay ampamoaka.

Dia lapan-tanàna hanehoana
ny marina miharihary
ka ny fomba fiasa himasoana
dia ny asa fa tsy mba kabary.

‘ty toerana hasiana azy indray
no aoka hasiam-pitenenana
fa tena kianja mitandro
an’ilay fandriam-pahalemana.

Tsy kianjan’ny ramatahora
na fidinana an-dalambe,
fa kianjan’ny fifankatiavana
ary izany no hatao rehareha.

Dia kianjan’ny firaisankina
ekena tsy misy fandàvana
satria Malagasy miray
tsy misy mifanavangavana.

Ka raha 13′ny mey
no lavenona ilay teo aloha
dia ny 17′ny mey
no hajoro eto ilay faharoa.

Ka ny dinan’ny mpifankatia
no dina hifanaovana anio,
tsy ho fihatsaram-belatsihy
fa ekena amin’ny fo madio.

Ny tanjona hany tratrarina,
no sady hiaraha-mitazana,
dia ny hasin’Antananarivo
renivohitr’ity tanindrazana.

Andriamanitra Ray ao ambony
anie hitahy an’ity fikasàna
hamita ary koa hampijoro
ny lapan’izato tanàna

Nosoratan’i RADO (georges ANDRIAMANANTENA), ary novakiana imasom-bahoaka teo amin’ny kianjan’ny 13 mey nandritra ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny vatofehizoron’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo hajoro manombokoa ny ampitson’io, mba ho solon’ilay efa may, 36 lasa izay

Suivre

Get every new post delivered to your Inbox.