GASY LEITSY IALAHY

GASY LEITSY IALAHY

Gasy leitsy ialahy a, mba hajao ny tenin~drazana,
aza ny an’ny hafa no vonjena hiantsampazana.
Mba miangavy leitsy a, aza dia ambaniana,
tsy hiala tsy ho gasy ialahy na oviana na oviana.

Gasy leitsy ialahy a, ka mba hevero tsara
hoe teny toy ny ahoana no lovain’ny ao afara?
Moa ve ny tenin-drazany ilay tena tenin-dreny,
sa ho teny hafahafa tsy ny tenim-pireneny?

Gasy leitsy ialahy a, eo mba saino vetivety,
hoe hiandrasana an’iza no hanitsy izay tsy mety?
anio tongava saina, metez’ialahy hitroatra,
mantsy rahampitso, sao dia efa tara loatra.

Gasy leitsy ialahy a, etsy misikiina hery
ndeha hiara-hamerina ny hasiny efa very
ny lahateny am-bava sy ‘reo kanto an-taratasy
mamy ange leitsy ilay tena teny gasy e.

Fa lovako io, lovan’ialahy, tena lova miezinezina!
ka aza be haitraitra fa ny antsika aloha fehezina.
Adidintsika leisy a, na kely ialahy na lehibe
tsy mahamenatr’io, maika aza rehareha…

Mahefa IARANTSOA Septambra 2014

DADA (tononkalon’i Barry Sirjon)

Arahaba nahatratra ny fetin'ny Ray  -2015

Arahaba nahatratra ny fetin’ny Ray -2015

Na dada foana aza:
ny mpamono vady sy ny mamolava
ary ny mpanitsakitsaka
Moa mendrika azy ihany va?…ny telina sy sitraka
…Satria hoe loharano nipoirana, nitondra tsimok’aina
Ka na dia manahirana, na dia mampiferinaina
Dia lolohavina sy bataina?
…Asanao ny anao…fa io moa dadanao!

Fa amiko ny dada dia masoandro sady volana
kintana mamiratra raha sendra ady sy olana
Loham-pianakaviana tsy miamboho adidy
Tsy malailay fonosana, na andevozin’ny hidihidyKanefa moa ny olombelona tsy misy tonga lafatra
Saingy ny tena dada miezaka mamantatra
ny akora sy kojakoja ilain’ny vady aman-janany:
Laniany ao ny ron-doha sy mondron-kery ananany

Ka raha tsy manakaiky izay ilay dadanao dia atoroy
fandrao dia làkana zozoro no mbola ratsy fivoy
Fa raha renao am-po: ilay fitiavany sarobidy sy matoy
alohan’ny andehanany hiasa dia fihino izy, ary orohy!

Ary ho an’ireo izay tsy manana dada intsony kosa
Aza alàna ao an-tsaina mihitsy ilay fitiavany miavosa
Na tsy eo aza ny vatany, tsy re ny doboky ny fony
…Ny fahatsiarovana azy : aza avela, aza afoy!

Barry Sirjon

Barry Sirjon  (20-06-2015)

Ato kosa jerena raha hijery tononkalo momba ny Arendrina ianao

Aoka lehiretsy a !

Ho anareo mitady fomba hanehoana hevitra rehefa miteny imasom-bahoaka (toy ny kabary, ohatra) ankafizo anie ilay fomba entiny maneho hevitra e

Aoka lehiretsy a !

Aza mba manao tsimbadi-boanampotsy, lehiretsy, ka ho azon’olona tambatambazam-bola amin-karena ka hivadika amin’ny marina. Fa ny daka no misy ambadika, ny loka no misy an-koatra, ny akanjo no misy paosy, ny trano no tsara raha misy efitra, ny tambi-toko no atao anankina, ny salaka no atao sisik’ila, ary ny hofak’ondry no soa mitsimbadika ; fa ratsy koa raha ratsy lehiretsy ny mivadika amin’ny marina.

Aza mba manao kitapo miara-peno, lehiretsy, fa ratsy anie ny manao toy ny akondro mifanafin-dravina e. Tsy soa anie ny parasy mitovy volo e ! Tsy tsara anie ny manao talapetraky ny mpiaotra e ! Tsy mendrika anie ny mpanao tsikombakomba e ! Mahasimba anie ny manao tetika iraisana e, indrindra fa ny mandimby entana ny mpangalatra.

Koa tsory lehiretsy fa fitiavan-tena sy kevo-dahasa tsy nisasarana ianareo a ! Lazao mazava fa noho ny haingitraingitra no nakàna ny fananan’olona tsy nila sota sy vaniny. Lazao mazava fa tsy zaka ny entana, tsy mandry ny saina, ary indrindra tsy velona ny vady aman-janaka ka nandrombinanareo ny an’ny hafa.

Aza mihevitra ny hanjehy ny andro ho lava lehiretsy, fa saino ny am-parany. Aoka izay fa ny zava-tsy hay, lehiretsy, tsy azo ibitabitahana a ! Aza mandrangitra ny efa valaka sy ny trotraka fa ny tody, hono, tsy misy fa ny atao no miverina. Ary farany : Na dia tsy manan-tahotra intsony aza ianareo, lehiretsy, dia mba itafio ihany ny henatra a !

Ony RAMBELO – FB 11 Nov 2014 – 05h 17

Ny Aza Voany (#Dafy_Noely)

NY AZA VOANY

Bika mafonja
Sy zipo manonja
Dia ampy nampientana ity tovolahy.
Ka roso nanaraka
Ny ivy efa raraka
Te-hampiresaka nefa tsy sahy.

Ny maso amin’izany,
Tsy ambony fa ambany,
Mandinika foana ny onjam-balahany,
Mahasondriana
Sy mahavariana,
Mba tiany ho antsoina fa mbola tsy sahiny.

« Andraso aho akia ! »,
Dia maika ery,
Hanomboka resaka abobo matavy,
Saingy nierika kely
Ilay Madimoazely :
Loza ka loza fa hay sarimbavy !!!!!!!!!!!

Dafy Noely 23/10/2014

Raha Andrian-dray Aho Raha Andrian-dreny….

RAMBELO (Ilay Olondia) MIKÔZY:

Ikelimadity

Raha andrian-dray aho raha andrian-dreny dia iriko raha ho tahaka ny voahangy roa tsara venty ny fanjakana: Raha amidy lafo be, avela endriky ny trano. Fihaingoa-mahafa-kenatra e ! Iderakedrako maneran’ny tany fa manana aho, tsy mandalo ny eritreritra ny hanakalo azy amin’ny an’ny hafa. Hazo tokana an’ony, tsy firy no mandimby satria ny tomponay no ao. Ny havanay no mandrafitra azy…Raha ny takatra no mandoka tena dia nanan-drariny hatramin’ny mpamosavy. Nanjary voaota fady hatramin’ny aro havandra ka ripaka mbamin’ny anatsinahy dimbin’antsy.

Izay ela fandeha dia mahabe ahiahy, ela loatra ka mampieritreritra. Aza ratsy fila hanina, fa hevero ny atao… Satriko tokoa maratra noho ny fiarovako fanjakana, satriko mijaly raha hitondra « fitiavana » ho an’ny taranaka, satriko hangirifiry raha hampitraka ny loha, saingy aleoko maty toy izay hitondra fahoriana tsy ahitam-panafana. Tsy manan-kantenaina toy ny andevo tsy manan-tsikidy itokisana, tsy sahy mijery olona toy ny mpivaro-tena tratran’anadahy, tsy sahy mibetroka toy ny polisy tratra nanao heloka.

08 Okt 2014 – 07:00

Ny tsilalaon-tenin’i Ony Rambelo

Raha misy olona iray fanàrako isanandro ny zavatra soratany (noho ny hakanton’ny heviteny sy ny fomba fanoratra) dia iray amin’ireny i Ony RAMBELO. Misy aminareo mpamaky ato ny mpianatra ho mpikabary. Mba jereo anie ity fomba nampitàny hafatra ho an’ny mpitondra ity e! Tsy ny resaka politika no tiako tsindriana, fa ilay hakanton’ny fomba anehoana azy. Maromaroa ny Olon-Dia manan-tsaina toa azy.

RAMBELO (Ilay Olondia) MIKÔZY:

Votsa saina!

Dingadingana namoa fanindroany ; ny kolokolo natao tsy ho vary ; ny Alahamady natao tsy hiverina ; ny Alakaosy natao tsy mba hisy. Ny nalaina natao tsy ho araka, kanjo impolo nanova fa ny teo ihany no teo. Eny iky, rahavana, aza dia manao sangisangy tsy azo ivalozana, ary aza atao vosobosotra dia ho lasa zary tenany ; fa mananjara ny sahy, ary ny tsy ampy ho lava, ny tetezana hiampitana no lasa tsy misy fiafaràny.

Fa raha misy haitraitra tsy mahomby, dia tsy nisy zaza nandoa voamena, tsy nisy nitaingin-tsoavalin-kirobo, na nalahelo nitery akoho, na mpanan-karena nanao ampiatany vola. Koa raha misy fitia omby horona any, dia tsy hisy intsony ve ny fanahy handalàna? Tonga tokoa ankehitriny ilay andro vaovao, ary tonga koa ny sahotaka sy ny fikatsoana, tonga ihany ry Paoly rehefa nandrasana ela ry Razaka.

Fa tsy tonga mba hanao izay hampanjary ilay haitraitra fa nisara-kevitra avy hatrany raha nisokatra ny vavany. Tsy sitraky ny angady mihitsy no hisetra ny andri-tany. Tsy ny sitra-pon’ankizy no hanenjeham-boatay, tsy ny setrasetran-kevitra no tsy maintsy hanehoana fitoniana sandoka. Dia votsa saina tokoa ve ianareo mpitondra sa dia efa zatra ny bontolo an-jambany ka minia tsy mahatakatra izany?

— miaraka amin’i Ony Rambelo.

Louis VAHANDANITRA – Ny Tantaram-piainana tsotsotra nolalovany

 Niasa an-tselika mandra-maty

    Iza no tsy hahatsiaro ny talentany? Nanongila-tsofina ny mpiara-belona sy ny mpianakavy fa milalao amin’ny tantara mitohy, na koa tantara indray miseho ao amin’ny radiom-pirenena i VAHANDANITRA: Feo matotra sy olona hentitra no nahatadiavana azy. Indraindray Kaomisera, matetika ray aman-dreny tia mananatranatra sy mampijery ny lavitra kokoa. Mety aminy tsara koa ny milalao  ho mpitandrina, na mompera. Izany no sary hanembonana azy. 

  Ny hatanorany iray manontolo no nolaniany tao amin’ny radiom-pirenena, ary naharitra teo amin’ny 40 taona izany. Mpanantalenta tena nikoizana izy, ary tsy ny filalaovana tantara amin’ny onja-peo ihany, fa mpanoratra hafakely ihany koa. Matetika ny eo amin’ny fiafaràn’ny tantarany no tena nahatsiarovan’ny maro azy. Tsy mba mamarana ny tantara nosoratany amin’izay hitiavany azy izy, fa asainy mandray anjara amin’ny mety ho fiafaràny ny mpamaky sy ny mpihaino. Mpamorona hatsikana natao hakàna lesona ihany koa i VAHANDANITRA. Tsaroana amin’ireny “ny toko tapaka” isaky ny alahady harivariva amin’ny valo iny.

Ny niatombohany

Tamin’ny taona 1958 dia nisy fikarohana olana hilalao tantara amin’ny onja-peo, nokarakarain’ny SORAFOM (Société de radiodiffusion de la France d’Outre Mer), ary mpandray anjara mihoatra ny 150 no tonga nitsapa ny talentany tamin’izany. Anisan’ireo 7  voafantina tamin’io i VAHANDANITRA, ary nanomboka teo no nilofosany tamin-kerim-po nampiseho ny talentany. Tokana sy niavaka ny feony ka mora no nankafizan’ny mpihaino azy izany. Niasa tao amin’ny onja-peom-pirenena io izy nanomboka teo, ary dia noraisina ho mpiasa an-tselika ihany tamin’izany. Teny TSILAZAINA , tanàna ao atsimo atsinananan’ny renivohitra no toera-ponenany, ary dia vitany isan’andro ny mandeha an-tongotra amin’io elenelana io (8km eo ho eo) nandritra ny 40 taona mahery rehefa hamonjy ny toera-piasàny izy. Marobe ireo mpilalao niara-nilalao taminy no nihaiky ny talentany sy ny fahaizany mamboly ny fihetseham-po any amin’ireo mpankafy sy mpihaino azy ireo. I VAHANDANITRA dia tsy nitsahatra ny niresadresaka sy nampita tamin’ireo tanora tato aoriana fa ny talenta sy ny fitiavana no nibaiko azy teo amin’ny asa izay nataony. Tsy noheveriny akory ny lanjan’ny vola sy ny voninahitra arahin-daza.

Maty nahantra?

 

Azo tarafina amin’ny asa-sorany ve ny toetrany sy ny fiainany? Raha ireto lohateny ireo dia mety hanakarana  izany: “Milalao vovoka”,”Forongon’entana”,”Tsy mahay miteny Gasy Andriamanitra”. Olona faran’izay tsotra izy, tsy mba nitady laza sy voninahitra, nandefitra sy tsy nanao fitakiana lavareny. Moa ve antony iray nahatonga azy ho mpiasa an-tselika (vacataire) mandra-maty izany toetrany izany. Tsy niravaka na inona na inona izy fony fahavelony? An-jorom-bala? Tsia! Maro mpankafy izy. Raha nodimandry ny 05 martsa1999 i VAHANDANITRA, dia maro no torotoro fo tamin’ny fandaozany ny tany. Teo vao notoloran’ny fanjakana “Chevalier de l’ordre national à titre posthume” izy. Maty ve vao ramalala? Velona ao ampon’ny mpankafy azy hatrany raha ny mpanantalenta toa an’i VAHANDANITRA. Tsy hisy hahasolo azy, fa ny azo antoka kosa dia hisy ny hanahaka ny toetra amam-pitiavany.

Mpanoratra:  Ony RAMBELO

*************************************************************************************************************************

Fanamarihana: Fanomezan-dàlana avy amin’ny tompon’ny lahatsoratra ary nomeny tam-pitiavana ho antsika mpamaky ny bilaogy no nahafahana namoaka azy teto. Mampanantena anareo fa mbola ho maro ny lahatsorany no ho avy eto – izay tsinjo ho manome lanja hatrany fitahirizana ny teny Malagasy tsy ho very.

%d blogueurs aiment cette page :