KEPOKA ( nosoratan’i RAOZIGASY)

Kepoka

Kepoky ny kapoka fa voakipaka mantsy
Ilay tovovavy kevoka voakopaky ny fantsy
Nakopaky ny tiany, toy ny kapo-kapa
Ka kepaka, nikipaka sy nipapapapa

Nanantena loatra fa ny hatanorany
No zahatra hahatafita azy eto an-tany
Tsy hainy anefa fa : izay no tena fitaka
Tsy azo entin-doatra hoe mibitabitaka

Nikoropaka, nikaroka, fika an’herikerika
Fa nampikorapadrapaka, ilay jejon’ito derika
Kepoky ny nenina, satria nimokamoka
Taitran’ny sodoka ka tonga dia bevohoka

Niantehitra, natoky ity seran’hatsarana
Ka nisolifatra, nasosany, fa nihanahana
Ny tantely raha afa-drakotra ny tranony ka vaky
Dia poa toy izay ange ny trosa-tany dia mitaky

Kaokan-teny am-bakiraoka,sy kiakam-baraka
Sisa nasetry ireto kiana sy latsan-kakakaka
Kohaka mangina, mikomy hoe « ekeko »
Nihohoka niaiky fa hoe koka … sisa reko

Raozigasy © 29/03/2017

Aoka lehiretsy a !

Ho anareo mitady fomba hanehoana hevitra rehefa miteny imasom-bahoaka (toy ny kabary, ohatra) ankafizo anie ilay fomba entiny maneho hevitra e

Aoka lehiretsy a !

Aza mba manao tsimbadi-boanampotsy, lehiretsy, ka ho azon’olona tambatambazam-bola amin-karena ka hivadika amin’ny marina. Fa ny daka no misy ambadika, ny loka no misy an-koatra, ny akanjo no misy paosy, ny trano no tsara raha misy efitra, ny tambi-toko no atao anankina, ny salaka no atao sisik’ila, ary ny hofak’ondry no soa mitsimbadika ; fa ratsy koa raha ratsy lehiretsy ny mivadika amin’ny marina.

Aza mba manao kitapo miara-peno, lehiretsy, fa ratsy anie ny manao toy ny akondro mifanafin-dravina e. Tsy soa anie ny parasy mitovy volo e ! Tsy tsara anie ny manao talapetraky ny mpiaotra e ! Tsy mendrika anie ny mpanao tsikombakomba e ! Mahasimba anie ny manao tetika iraisana e, indrindra fa ny mandimby entana ny mpangalatra.

Koa tsory lehiretsy fa fitiavan-tena sy kevo-dahasa tsy nisasarana ianareo a ! Lazao mazava fa noho ny haingitraingitra no nakàna ny fananan’olona tsy nila sota sy vaniny. Lazao mazava fa tsy zaka ny entana, tsy mandry ny saina, ary indrindra tsy velona ny vady aman-janaka ka nandrombinanareo ny an’ny hafa.

Aza mihevitra ny hanjehy ny andro ho lava lehiretsy, fa saino ny am-parany. Aoka izay fa ny zava-tsy hay, lehiretsy, tsy azo ibitabitahana a ! Aza mandrangitra ny efa valaka sy ny trotraka fa ny tody, hono, tsy misy fa ny atao no miverina. Ary farany : Na dia tsy manan-tahotra intsony aza ianareo, lehiretsy, dia mba itafio ihany ny henatra a !

Ony RAMBELO – FB 11 Nov 2014 – 05h 17

Raha Andrian-dray Aho Raha Andrian-dreny….

RAMBELO (Ilay Olondia) MIKÔZY:

Ikelimadity

Raha andrian-dray aho raha andrian-dreny dia iriko raha ho tahaka ny voahangy roa tsara venty ny fanjakana: Raha amidy lafo be, avela endriky ny trano. Fihaingoa-mahafa-kenatra e ! Iderakedrako maneran’ny tany fa manana aho, tsy mandalo ny eritreritra ny hanakalo azy amin’ny an’ny hafa. Hazo tokana an’ony, tsy firy no mandimby satria ny tomponay no ao. Ny havanay no mandrafitra azy…Raha ny takatra no mandoka tena dia nanan-drariny hatramin’ny mpamosavy. Nanjary voaota fady hatramin’ny aro havandra ka ripaka mbamin’ny anatsinahy dimbin’antsy.

Izay ela fandeha dia mahabe ahiahy, ela loatra ka mampieritreritra. Aza ratsy fila hanina, fa hevero ny atao… Satriko tokoa maratra noho ny fiarovako fanjakana, satriko mijaly raha hitondra « fitiavana » ho an’ny taranaka, satriko hangirifiry raha hampitraka ny loha, saingy aleoko maty toy izay hitondra fahoriana tsy ahitam-panafana. Tsy manan-kantenaina toy ny andevo tsy manan-tsikidy itokisana, tsy sahy mijery olona toy ny mpivaro-tena tratran’anadahy, tsy sahy mibetroka toy ny polisy tratra nanao heloka.

08 Okt 2014 – 07:00

Ny tsilalaon-tenin’i Ony Rambelo

Raha misy olona iray fanàrako isanandro ny zavatra soratany (noho ny hakanton’ny heviteny sy ny fomba fanoratra) dia iray amin’ireny i Ony RAMBELO. Misy aminareo mpamaky ato ny mpianatra ho mpikabary. Mba jereo anie ity fomba nampitàny hafatra ho an’ny mpitondra ity e! Tsy ny resaka politika no tiako tsindriana, fa ilay hakanton’ny fomba anehoana azy. Maromaroa ny Olon-Dia manan-tsaina toa azy.

RAMBELO (Ilay Olondia) MIKÔZY:

Votsa saina!

Dingadingana namoa fanindroany ; ny kolokolo natao tsy ho vary ; ny Alahamady natao tsy hiverina ; ny Alakaosy natao tsy mba hisy. Ny nalaina natao tsy ho araka, kanjo impolo nanova fa ny teo ihany no teo. Eny iky, rahavana, aza dia manao sangisangy tsy azo ivalozana, ary aza atao vosobosotra dia ho lasa zary tenany ; fa mananjara ny sahy, ary ny tsy ampy ho lava, ny tetezana hiampitana no lasa tsy misy fiafaràny.

Fa raha misy haitraitra tsy mahomby, dia tsy nisy zaza nandoa voamena, tsy nisy nitaingin-tsoavalin-kirobo, na nalahelo nitery akoho, na mpanan-karena nanao ampiatany vola. Koa raha misy fitia omby horona any, dia tsy hisy intsony ve ny fanahy handalàna? Tonga tokoa ankehitriny ilay andro vaovao, ary tonga koa ny sahotaka sy ny fikatsoana, tonga ihany ry Paoly rehefa nandrasana ela ry Razaka.

Fa tsy tonga mba hanao izay hampanjary ilay haitraitra fa nisara-kevitra avy hatrany raha nisokatra ny vavany. Tsy sitraky ny angady mihitsy no hisetra ny andri-tany. Tsy ny sitra-pon’ankizy no hanenjeham-boatay, tsy ny setrasetran-kevitra no tsy maintsy hanehoana fitoniana sandoka. Dia votsa saina tokoa ve ianareo mpitondra sa dia efa zatra ny bontolo an-jambany ka minia tsy mahatakatra izany?

— miaraka amin’i Ony Rambelo.

%d blogueurs aiment cette page :