DADA (tononkalon’i Barry Sirjon)

Arahaba nahatratra ny fetin'ny Ray  -2015

Arahaba nahatratra ny fetin’ny Ray -2015

Na dada foana aza:
ny mpamono vady sy ny mamolava
ary ny mpanitsakitsaka
Moa mendrika azy ihany va?…ny telina sy sitraka
…Satria hoe loharano nipoirana, nitondra tsimok’aina
Ka na dia manahirana, na dia mampiferinaina
Dia lolohavina sy bataina?
…Asanao ny anao…fa io moa dadanao!

Fa amiko ny dada dia masoandro sady volana
kintana mamiratra raha sendra ady sy olana
Loham-pianakaviana tsy miamboho adidy
Tsy malailay fonosana, na andevozin’ny hidihidyKanefa moa ny olombelona tsy misy tonga lafatra
Saingy ny tena dada miezaka mamantatra
ny akora sy kojakoja ilain’ny vady aman-janany:
Laniany ao ny ron-doha sy mondron-kery ananany

Ka raha tsy manakaiky izay ilay dadanao dia atoroy
fandrao dia làkana zozoro no mbola ratsy fivoy
Fa raha renao am-po: ilay fitiavany sarobidy sy matoy
alohan’ny andehanany hiasa dia fihino izy, ary orohy!

Ary ho an’ireo izay tsy manana dada intsony kosa
Aza alàna ao an-tsaina mihitsy ilay fitiavany miavosa
Na tsy eo aza ny vatany, tsy re ny doboky ny fony
…Ny fahatsiarovana azy : aza avela, aza afoy!

Barry Sirjon

Barry Sirjon  (20-06-2015)

Ato kosa jerena raha hijery tononkalo momba ny Arendrina ianao

Publicités

Louis VAHANDANITRA – Ny Tantaram-piainana tsotsotra nolalovany

 Niasa an-tselika mandra-maty

    Iza no tsy hahatsiaro ny talentany? Nanongila-tsofina ny mpiara-belona sy ny mpianakavy fa milalao amin’ny tantara mitohy, na koa tantara indray miseho ao amin’ny radiom-pirenena i VAHANDANITRA: Feo matotra sy olona hentitra no nahatadiavana azy. Indraindray Kaomisera, matetika ray aman-dreny tia mananatranatra sy mampijery ny lavitra kokoa. Mety aminy tsara koa ny milalao  ho mpitandrina, na mompera. Izany no sary hanembonana azy. 

  Ny hatanorany iray manontolo no nolaniany tao amin’ny radiom-pirenena, ary naharitra teo amin’ny 40 taona izany. Mpanantalenta tena nikoizana izy, ary tsy ny filalaovana tantara amin’ny onja-peo ihany, fa mpanoratra hafakely ihany koa. Matetika ny eo amin’ny fiafaràn’ny tantarany no tena nahatsiarovan’ny maro azy. Tsy mba mamarana ny tantara nosoratany amin’izay hitiavany azy izy, fa asainy mandray anjara amin’ny mety ho fiafaràny ny mpamaky sy ny mpihaino. Mpamorona hatsikana natao hakàna lesona ihany koa i VAHANDANITRA. Tsaroana amin’ireny “ny toko tapaka” isaky ny alahady harivariva amin’ny valo iny.

Ny niatombohany

Tamin’ny taona 1958 dia nisy fikarohana olana hilalao tantara amin’ny onja-peo, nokarakarain’ny SORAFOM (Société de radiodiffusion de la France d’Outre Mer), ary mpandray anjara mihoatra ny 150 no tonga nitsapa ny talentany tamin’izany. Anisan’ireo 7  voafantina tamin’io i VAHANDANITRA, ary nanomboka teo no nilofosany tamin-kerim-po nampiseho ny talentany. Tokana sy niavaka ny feony ka mora no nankafizan’ny mpihaino azy izany. Niasa tao amin’ny onja-peom-pirenena io izy nanomboka teo, ary dia noraisina ho mpiasa an-tselika ihany tamin’izany. Teny TSILAZAINA , tanàna ao atsimo atsinananan’ny renivohitra no toera-ponenany, ary dia vitany isan’andro ny mandeha an-tongotra amin’io elenelana io (8km eo ho eo) nandritra ny 40 taona mahery rehefa hamonjy ny toera-piasàny izy. Marobe ireo mpilalao niara-nilalao taminy no nihaiky ny talentany sy ny fahaizany mamboly ny fihetseham-po any amin’ireo mpankafy sy mpihaino azy ireo. I VAHANDANITRA dia tsy nitsahatra ny niresadresaka sy nampita tamin’ireo tanora tato aoriana fa ny talenta sy ny fitiavana no nibaiko azy teo amin’ny asa izay nataony. Tsy noheveriny akory ny lanjan’ny vola sy ny voninahitra arahin-daza.

Maty nahantra?

 

Azo tarafina amin’ny asa-sorany ve ny toetrany sy ny fiainany? Raha ireto lohateny ireo dia mety hanakarana  izany: “Milalao vovoka”,”Forongon’entana”,”Tsy mahay miteny Gasy Andriamanitra”. Olona faran’izay tsotra izy, tsy mba nitady laza sy voninahitra, nandefitra sy tsy nanao fitakiana lavareny. Moa ve antony iray nahatonga azy ho mpiasa an-tselika (vacataire) mandra-maty izany toetrany izany. Tsy niravaka na inona na inona izy fony fahavelony? An-jorom-bala? Tsia! Maro mpankafy izy. Raha nodimandry ny 05 martsa1999 i VAHANDANITRA, dia maro no torotoro fo tamin’ny fandaozany ny tany. Teo vao notoloran’ny fanjakana “Chevalier de l’ordre national à titre posthume” izy. Maty ve vao ramalala? Velona ao ampon’ny mpankafy azy hatrany raha ny mpanantalenta toa an’i VAHANDANITRA. Tsy hisy hahasolo azy, fa ny azo antoka kosa dia hisy ny hanahaka ny toetra amam-pitiavany.

Mpanoratra:  Ony RAMBELO

*************************************************************************************************************************

Fanamarihana: Fanomezan-dàlana avy amin’ny tompon’ny lahatsoratra ary nomeny tam-pitiavana ho antsika mpamaky ny bilaogy no nahafahana namoaka azy teto. Mampanantena anareo fa mbola ho maro ny lahatsorany no ho avy eto – izay tsinjo ho manome lanja hatrany fitahirizana ny teny Malagasy tsy ho very.

K’izaho ve?

Roa taona lasa izay no nanoratako ity tononkalo ity. Toa mifanandrify indrindra amin’ny zavatra miseho amin’izao fotoana anefa ny votoatiny. Misaotra betsaka indrindra an’i Endrika01 nametraka fanamarihana tao anatin’ny vohikalan’ny Serasera.org izay nametrahako azy tamin’izany roa taona lasa izany, izay arahabaina ihany koa nahatratra ny tsingeringerina faha-folo nijoroan’ny vohikala.

Indro averiko etoana kosa izy ho vetsovetso iraisako aminao, ho tandindon’ny lasako, ary ho fanofisako sahady ny hoavintsika rehetra.

k’zaho ve? – Avylavitra

Mpanoratra : Avylavitra
Nampiditra : avylavitra
Date: 20/08/2007

K’zaho ve?

Nijery aho dia nahita
f’ireo be sandry sy be fikafika
dia miezaka hatrany hamotika antsika

Dia nijery aho, mbola nahita
f’ireo be hatoka mpangoron-karena
manindry tsy miato ‘zay te hiavo-tena

dia mbola nijery aho fa tsy nahita
na iray aza tamintsika
sahy hitsangana sy mba hiteny
hamaky bantsilana ny toy ireny

k’zaho ve?
‘zaho no antenaina hitarika foana?
‘zaho no atosika ho eny anoloana?

ny vavako ny ahy no haiko ampiasaina
k’aleoko mijanona ho mpanolotsaina
tsy eken’ny saiko ny hoe latsak’aina
ho an’ny maro…tsy mahay mifangaro.

Hijerijery aho ary enga hahita
fa mbola hitambatra ihany ‘reto isika.
Am’zay aho angamba ho sahy hitanty
na hamoy aina mihitsy ho faty
sy ho latsak’aina
ho an’ny maro… lasa nifangaro.

Avylavitra
(07 jolay 2007 06h 54 mn AM)


Atolotra manokana ho an’ireo zatra miravaka ny vangim-boay matin’ny sasany

NENY Ô !

Matahotra ny tsy ho tafiditra eto intsony alohan’ny fetin’ny Reny aho, ka dia alefako sahady dieny izao ny FIRARIAN-TSOA ho anareo VEHIVAVY rehetra mamaky ity hafatra ity. Tsy àry ny olona raha tsy nisy anareo, tsy re ny tomany raha tsy teo ianareo, feno ny tany noho ianareo. SOA SESEHENA noho izany no noraisina koa indro misy tononkira (miala tsiny fa tsy haiko izay tompony, mba ampio aho)  iray hanampiako izay voalaza.
Andriamanitra anie hitahy ny VEHIVAVY REHETRA TSARA SITRA-PO.

Neny ô
Ianao no fahazavana, nanafosafo sy nihantàna,
Masoandro nahitako ny tontolo,
Nandrotsy, nitaiza sy nikolo.

Ianao no andry nijoroako,
nandritry ny fotoam-pahazazako.
Nibaby sy nitrotro sy nanondrotra.
Ianao tsy nikely soroka.

Fiverenana:
Fisaorana ry Neny no atolotro anao
Isaorana ireny soa vitanao

Neny ô!
Ny fiainako rehetra
Ho anao, ho anao tsy misy fetra,
Atolotro anao ry Nolalaiko
N’inon’inona, eny na ny aiko

Ho tratry ny taona maro mitsingerina indray e!
Saiky homeko teto ny hira misy feony amin’io fa tsy misy fampidirana MP3 tato.

%d blogueurs aiment cette page :