KEPOKA ( nosoratan’i RAOZIGASY)

Kepoka

Kepoky ny kapoka fa voakipaka mantsy
Ilay tovovavy kevoka voakopaky ny fantsy
Nakopaky ny tiany, toy ny kapo-kapa
Ka kepaka, nikipaka sy nipapapapa

Nanantena loatra fa ny hatanorany
No zahatra hahatafita azy eto an-tany
Tsy hainy anefa fa : izay no tena fitaka
Tsy azo entin-doatra hoe mibitabitaka

Nikoropaka, nikaroka, fika an’herikerika
Fa nampikorapadrapaka, ilay jejon’ito derika
Kepoky ny nenina, satria nimokamoka
Taitran’ny sodoka ka tonga dia bevohoka

Niantehitra, natoky ity seran’hatsarana
Ka nisolifatra, nasosany, fa nihanahana
Ny tantely raha afa-drakotra ny tranony ka vaky
Dia poa toy izay ange ny trosa-tany dia mitaky

Kaokan-teny am-bakiraoka,sy kiakam-baraka
Sisa nasetry ireto kiana sy latsan-kakakaka
Kohaka mangina, mikomy hoe « ekeko »
Nihohoka niaiky fa hoe koka … sisa reko

Raozigasy © 29/03/2017

VODIONDRY

Fanamarihana: Misoratra eo anoloan’ny lahatsoratra ny anara’ny mpanoratra, ary azontska ifandraisana ao amn’ny Facebook. Tsy nasiam-panovàna izay nosoratany fa naverina navoaka eto fotsiny.

(Mahefa Iarantsoa) MPANGATAKA : Tompokolahy sy tompokovavy : Ny andro iray izay hihaonana hono toy andro zato, izay iray donak’afo iray dinidinika na inona anefa fahamaizana na inona fahamaikana ny ravintoto hono tsy mba fitetika ny varavaran-jozoro tsy azo asiana karetsaka ary na mahay manihi bolo sy manimbola aza ny zavatra tsy hay tsy hibitabitahana,koa mailoha ny hirosoantsika amin’ny ..dia manontany izahay hoe efa vory ve ny fianakaviana sa mbola misy ny andrasana tompoko? Misaotra tompoko! MPAMOAKA: eny tompoko ny andao andao hono mahavery entana, ny alaharo alaharo mahaela ny dia koa mahazo miroso amin’ny dinika ianareo tompoko! MPANGATAKA :Ny asa tsy vita hono tsy dinika ,ny dinika tsy efa tsy atao,ny atao tsy lavorary tsy atomboka koa mialoha ny zavatra rehetra dia tsara raha ankinina @ Andriamanitra ny resaka eto,koa hiaraka hivavaka isika tompoko! (vavaka) MPAMOAKA :ny tompon-trano tsy manontany vaovao hono toa olo-miavona, ny vahiny tsy hanontaniana toa sadaikatra ihany koa inona re tompoko ny anton-dianareo? MPANGATAKA: Raha midona ny oran’ankaratra vaky tsipelina ny eny anjafy Fa raha midona kosa ny oram-pitiavana mitsanga mitoetra ny mani-kavana. Tompokolahy sy tompokovavy Tsy ny ntaolo maranitra amin’ ny teny aho izay miatrika etoana ! fa kosa , ilay zanak’ antitra asesi- pitia ; tsy ny olon’ela tompon’ny kabary, fa ilay zandry zanaka nahadidy tsy ny zokiny tompon-draharaha e ! fa ilay molotra malefadefaka, tsy ny tandroka mirangaranga fa ny sofina mifitsapitsaka Koa manao azafady raha hiteny eto anoloanareo fa ny azafady mariky ny fanajana sy fanomezam-boninahitra. Manao azafady manembana tompokolahy, manao azafady misalovana tompokovavy, manao azafady raha hiteny mialoha anareo kiady sy voninahitra Manaraka izany, miala tsiny ny tenako satria ny tsiny maiva-mavesatra, tsy zakan’ny teo aloha ka ombako tsy mahazaka ihany koa. Ny tsiny tahaka ny antsy , ka izay mikasika azy no maratra, toy ny tevan-dalina ka tsirihana mahafanina, ianjerana mahafaty, ary ny miteny tsy miala tsiny savihan-doza amin’izay atao rehetra. Noho izany ny alàna ihany no mahatsara azy. Koa lalao mandrakariva àry ny fifankatiavana, fa raha izany no voatana dia hiala amin’ny nahiny toy ny ampango tra-maraina ny tsiny amam-pondro. Koa raha lasa ny tsiny fanalan’ny vava dia ho maivana ny teny,manaraka izany dia manolotra ny arahaba ho anatsika rehetra ,tolorana ny arahaba voadiniainika sy ny akory voafantimpantina isika rehetra, Izay ary no tehin-dava manintsana avido sy sava ando manajary ny dia, mitondra any amin’ny votoatin-dresaka izay tsy inona fa ny hetahetan’izato Andriamatoa efa nomenareo toerana voatokana izato. Hoy mantsy, ny tafasiriny tamin’ireo Ray aman-dReniny: “Mba sambatra e! ry Kaky, mba sambatra e ! Neny, mba sambatra indrindra izay honenany raha nolalovany aza velon-tsento”, “Fa izy kosa hono voron- tokàna anosy ka miventy fitia samy irery”, (Mbola hitohy) Marihina fa misy noforonina moa misy koa mba nalaina teny rehetra teny an, dia mba zaraina amintsika

(Tohiny)

Rehefa nandre izany tolokon-janaka izany ireto fianakaviana dia izao tonga miandra vovonana eto izao. Babon’ilay zana-domoina malemy paika manambaka ny voromailalan’larivo ry lahy ity voron-tokana anosy. Izahay no tonga eto moa dia tsy iza fâ tarihinAndriamatoa Ra………………….……..zanak’I Ra………………………… izay taranak’i Ra………………….………. sy Ra……………………….. Avy amin’ny lafin’ny Rainy ary i Ra………………….…….. sy Ra……………………..…. Avy amin’ny lafin’ny reniny.
Tonga mangataka ny ho fara, mangataka ny ho vohitra, ny ho tokantrano. Hanafy raha rovi-damba, hamahana raha noana, hanirina raha miala aina ary handova rahatrizay. Mba mila zara fa raha tokam-pivohy tsy misosa
ary tsara tokoa ny roa noho ny iray, fa an-dalana misy hiresahana, raha lavo dia misy mpanarina. Izany no ahatongavanay eto aminareo Ra.J…………………. sy Ra ……………….……. Izay taranak’i Ra…………………………………… sy Ra……………………………….…. avy amin’ny lafin’ny Rainy ary Ra………………………….. sy Ra…………………….… avy amin’ny lafin’ny Reniny ka nisehoan’i Ra………………………. izay anton’izao fiandranay vovonana eto izao . Maro hono ny hazo fa ny fary no mamy indrindra, maro ny soratr’omby fa ny sada no marevaka ary maro ny tovovavy fa ny teto no nandrian’ny sainy sy niantefan’ny safidiny. Koa izany no tapatapak’ahitra sy torotoro ravina ataonay anareo.
Handrandrana ianareo ka tsy hanafenana loha sola, hitsabo ka tsy hanafenana aretina ary tompon-janaka tiavina ka tsy hanafenana ny ao am-po. Ny lango no azo hanina anefa teny ierana avy amin’ny vary, ny jabo no azo tafiana teny ierana avy amin’ny landy fa ny fanambadiana no raikitra kosa teny ieran’ny Ray aman-dReny. Koa aza atao fola-tana- manondro na farim-peo miantso, fa mba mangataka ka omeo.
Kanefa mialohan’izany dia indro atolotray ny tapi-maso ho an’ny anadahan-drazazavavy!

NA DIA HOE TSY HO VADY

NA DIA HOE TSY HO VADY

Fantaro aloha ny miafin’ilay endriny mahafatifaty
vao mamel’ilay fitiavany hitsiry ao anaty,
hevero ny takalo sy ‘zay ‘ty sy ‘nday fonosiny
sao raozy no eny an-tanany fa lefon’ an-damosiny.

Diniho ambony ambany ‘reo hevitry ny teniny
sao longoa mitoto-bozaka ezahany afeniny,
dia io ianao sondriana mankafy ‘reo rotsirotsy
hay rentirentim-pasana miloko fotsifotsy.

Fantaro koa ny tanjona kendreny hiafarana
ny vatsy sy ny lalana soritiny ombana,
dieny vao hitia, na dia hoe tsy ho vady
ndrao lala-migodana hamarin’ an-kady.

Mahefa IARANTSOA

LOKO MENA

LOKO MENA

tonga ny fotoana!
indro fa niverina ny tranga tao sôdôma,
ny sary tao Gômôro;
ireo tanàna haolo
hay tsy mbola levona narapaky ny afo
afats’ireo tafo,
toa mbola velona any ny zanaka aman-jafiny
sy ny fomba ratsiny
ka mitady hameno izao tontolo izao,
loza mitatao!

mitandrema isika,
aretina mahery ny fomba sôdômita,
fomba tsy manjary,
mbola hafa ihany ny mihano-paradisa
am-pilàna nanahary,
teny tsara atsipy ho an’ny manam-pahendrena
tandremo: »LOKO MENA!! »

RaAnRaMa

AOKA HAZAVA E

AOKA HAZAVA E

AOKA HAZAVA tsy hoe mankahala
ny zava-boaforon’ iretsy vahiny,
fa’ngamba ataoko fa olona adala
raha toa ka mitaty ny fako nariany.

AOKA HAZAVA tsy hoe fahantrana
raha toa ka mitia izay vitan’ny Gasy,
f’ilay toe-tsaina no mila ovana
tsy hamela ny antsika mba hangasihasy.

AOKA HAZAVA tsy hoe tsy mandroso
raha toa tsy manao ny fanao any ampita,
fa ny olo-misaina tsy hisosososo
hinana am-bolo ny zavatra hita.

Ary AOKA HAZAVA ny loza hiseho
raha toa tsy vonoina ny fositr’izao,
‘lay hasin’ny Gasy hidoboka hatreo
ka asa izany raha mety aminao?

Mahefa IARANTSOA

FILAZANA MANJO (‪#‎Rafomarariniaiko‬)

Isaky ny mamaky tononkalo ato amin’ity sehatra natokako hizaràna ny kanton’ireo Malagasy mpanoratra ity ianareo, dia tiako ny manao fanamarihana hoe: tsy nasiako fanitsiana na fanovàna mihitsy izay voasoratra, fa araka izay nanoratan’ireo mpanoratra azy no itondrako azy eto ho antsika mpankafy ny kanto Malagasy. Mazotoa mianoka ary e!

FILAZANA MANJO nosoratan’i BADE RaAnRaMa
(‪#‎Rafomarariniaiko‬)

ity no ferapara ,
ity no peta-drindrina
sisa haparitaka ho ren’ny manodidina
fa maty tsy tra-drano ,
tsy nialàna nenina ,
tsy nisy itomaniana fa tong dia nalevina
Rafomarariniaiko …

ity no filazàna
ho an’ny voary rehetra
f’i Fomarariniaiko dia voavetavetan’
tsy mataho-tody
imason’ny vahoaka ,
tsy nisy sahy nanakana ,tsy nisy sahy nitroatra
ka tapitra ny ainy !!!

eny …!!
ity no fara saona
ventso itambarana
alohan’ny hikatonan’ny varavaram-pasana
itoeran’ny diary niarahana namita ,
veloma faraparan’ireo voary rehetra anaty paradisa .

kanefa
ity no fampitàna no sady fampiononana
ireo zay malahelo
f’i Fomarariniaiko tsy maintsy mbola hitsangana
amin’ny andro fahatelo !!!

‪#‎Bade‬ r

Aza adino koa ny mitsidika ny bilaogy Avylavitra

MALAGASY AHO

MALAGASY AHO

Noho ny rà Malagasy mikoriana ato anatiko
Dia Malagasy foana aho mandrapahafatiko !
Malagasy avokoa na ny Raiko na ny Reniko,
Malagasy ihany koa na ny fomba sy fiteniko.

Ny tanindrazako asandratro dia i Madagasikara,
Nosy tiako sy arovako : tanindrazako malala !
Ny teny Malagasy no hany tenindrazako :
Io no teny andrianiko, iandronan’ny fitiavako.

Ny sainam-pirenena dia ny maitso fotsy mena :
Ny maitso dia ny voahary sy ny fo manantena,
Ny fotsy dia vahoaka ilay mitafy lamba soga,
Ny mena dia ny tolona sy ny ràn’ireo voazioga !

Ny mpiray rà amiko dia isika Malagasy :
Isika no iray aina sady koa iray vatsy,
Isika ireo no voafatotra amin’ny hasi-pihavanana,
Ka tokony hifanampy sy hifanome tanana !

Isika Malagasy ihany no hany afaka hanafaka
An’i Madagasikarantsika ao anatin’ilay lavaka…
Ka na inona mitranga, na koa iza no filoha,
I Madagasikara hatrany no hijoroantsika aloha !

AINA NIRINA
(26 jona 2015 tamin’ny 14 :05)

%d blogueurs aiment cette page :