K’izaho ve?

Roa taona lasa izay no nanoratako ity tononkalo ity. Toa mifanandrify indrindra amin’ny zavatra miseho amin’izao fotoana anefa ny votoatiny. Misaotra betsaka indrindra an’i Endrika01 nametraka fanamarihana tao anatin’ny vohikalan’ny Serasera.org izay nametrahako azy tamin’izany roa taona lasa izany, izay arahabaina ihany koa nahatratra ny tsingeringerina faha-folo nijoroan’ny vohikala.

Indro averiko etoana kosa izy ho vetsovetso iraisako aminao, ho tandindon’ny lasako, ary ho fanofisako sahady ny hoavintsika rehetra.

k’zaho ve? – Avylavitra

Mpanoratra : Avylavitra
Nampiditra : avylavitra
Date: 20/08/2007

K’zaho ve?

Nijery aho dia nahita
f’ireo be sandry sy be fikafika
dia miezaka hatrany hamotika antsika

Dia nijery aho, mbola nahita
f’ireo be hatoka mpangoron-karena
manindry tsy miato ‘zay te hiavo-tena

dia mbola nijery aho fa tsy nahita
na iray aza tamintsika
sahy hitsangana sy mba hiteny
hamaky bantsilana ny toy ireny

k’zaho ve?
‘zaho no antenaina hitarika foana?
‘zaho no atosika ho eny anoloana?

ny vavako ny ahy no haiko ampiasaina
k’aleoko mijanona ho mpanolotsaina
tsy eken’ny saiko ny hoe latsak’aina
ho an’ny maro…tsy mahay mifangaro.

Hijerijery aho ary enga hahita
fa mbola hitambatra ihany ‘reto isika.
Am’zay aho angamba ho sahy hitanty
na hamoy aina mihitsy ho faty
sy ho latsak’aina
ho an’ny maro… lasa nifangaro.

Avylavitra
(07 jolay 2007 06h 54 mn AM)


Atolotra manokana ho an’ireo zatra miravaka ny vangim-boay matin’ny sasany

2 Réponses

  1. Salama tompoko ! Ahoana no fidirana membre ato ?

    J'aime

    • Ndrema > Rehefa misy tononkalo na resaka momba ny teny Malagasy tianao hapetraka eto amin’ny bilaogy, dia azonao alefa amin’ny mpandrindra, ary izy no mamoaka izany sy mametaka ny anaranao tompon’ny asa. Misaotra indrindra

      J'aime

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :