NA DIA HOE TSY HO VADY

NA DIA HOE TSY HO VADY

Fantaro aloha ny miafin’ilay endriny mahafatifaty
vao mamel’ilay fitiavany hitsiry ao anaty,
hevero ny takalo sy ‘zay ‘ty sy ‘nday fonosiny
sao raozy no eny an-tanany fa lefon’ an-damosiny.

Diniho ambony ambany ‘reo hevitry ny teniny
sao longoa mitoto-bozaka ezahany afeniny,
dia io ianao sondriana mankafy ‘reo rotsirotsy
hay rentirentim-pasana miloko fotsifotsy.

Fantaro koa ny tanjona kendreny hiafarana
ny vatsy sy ny lalana soritiny ombana,
dieny vao hitia, na dia hoe tsy ho vady
ndrao lala-migodana hamarin’ an-kady.

Mahefa IARANTSOA

FILAZANA MANJO (‪#‎Rafomarariniaiko‬)

Isaky ny mamaky tononkalo ato amin’ity sehatra natokako hizaràna ny kanton’ireo Malagasy mpanoratra ity ianareo, dia tiako ny manao fanamarihana hoe: tsy nasiako fanitsiana na fanovàna mihitsy izay voasoratra, fa araka izay nanoratan’ireo mpanoratra azy no itondrako azy eto ho antsika mpankafy ny kanto Malagasy. Mazotoa mianoka ary e!

FILAZANA MANJO nosoratan’i BADE RaAnRaMa
(‪#‎Rafomarariniaiko‬)

ity no ferapara ,
ity no peta-drindrina
sisa haparitaka ho ren’ny manodidina
fa maty tsy tra-drano ,
tsy nialàna nenina ,
tsy nisy itomaniana fa tong dia nalevina
Rafomarariniaiko …

ity no filazàna
ho an’ny voary rehetra
f’i Fomarariniaiko dia voavetavetan’
tsy mataho-tody
imason’ny vahoaka ,
tsy nisy sahy nanakana ,tsy nisy sahy nitroatra
ka tapitra ny ainy !!!

eny …!!
ity no fara saona
ventso itambarana
alohan’ny hikatonan’ny varavaram-pasana
itoeran’ny diary niarahana namita ,
veloma faraparan’ireo voary rehetra anaty paradisa .

kanefa
ity no fampitàna no sady fampiononana
ireo zay malahelo
f’i Fomarariniaiko tsy maintsy mbola hitsangana
amin’ny andro fahatelo !!!

‪#‎Bade‬ r

Aza adino koa ny mitsidika ny bilaogy Avylavitra