MALAGASY AHO

MALAGASY AHO

Noho ny rà Malagasy mikoriana ato anatiko
Dia Malagasy foana aho mandrapahafatiko !
Malagasy avokoa na ny Raiko na ny Reniko,
Malagasy ihany koa na ny fomba sy fiteniko.

Ny tanindrazako asandratro dia i Madagasikara,
Nosy tiako sy arovako : tanindrazako malala !
Ny teny Malagasy no hany tenindrazako :
Io no teny andrianiko, iandronan’ny fitiavako.

Ny sainam-pirenena dia ny maitso fotsy mena :
Ny maitso dia ny voahary sy ny fo manantena,
Ny fotsy dia vahoaka ilay mitafy lamba soga,
Ny mena dia ny tolona sy ny ràn’ireo voazioga !

Ny mpiray rà amiko dia isika Malagasy :
Isika no iray aina sady koa iray vatsy,
Isika ireo no voafatotra amin’ny hasi-pihavanana,
Ka tokony hifanampy sy hifanome tanana !

Isika Malagasy ihany no hany afaka hanafaka
An’i Madagasikarantsika ao anatin’ilay lavaka…
Ka na inona mitranga, na koa iza no filoha,
I Madagasikara hatrany no hijoroantsika aloha !

AINA NIRINA
(26 jona 2015 tamin’ny 14 :05)

AVERINTSIKA INDRAY

AVERINTSIKA INDRAY

Ny fitakiana fahafahana
ho an’ny Nosy nozanahana
no nampihetsika hatrany ny vahoaka malagasy.
Ny ran’izy ireo nandriaka
no nahazoan’ny tanintsika
ny saritsarim-pahaleovantena ara-taratasy.

Fa ilay tetika an-kolaka
dia ny olona voafolaka,
voavidy sady tia tena ka manaiky hotambazana
no omena fanjakana.
Sakanana ny hitondran’
izay olona rehetra tena tia ny tanindrazana.

Dia vao mainka ampahantraina
sy tsindriana tsy eran’aina
ny sarambabem-bahoaka ory eto anivon-driaka.
Verezin-jo ny firenena
fa asaina manantena
ny trosa be sy fanampian’ny vazaha foana isika.

Diniho fa mbola zanatany
isika mandraka androany,
noho ireo filoha mpanodina ny tolona efa vita.
Mbola tena tompon-daka
sy avela hanjakazaka
ny vazaha, na eto an-toerana na avy any am-pita !

Tsy fahatsiarovana isan-taona
ao anaty fo misaona
‘reo malagasy tsy hita isa tena nahafoy aina,
na tsangambato miezinezina
ho an’ireo andrarezina
lavo teo am-pitolomana ihany no ilaina,

fa herim-po sy fikirizana,
finiavana hanohizana
ny tolom-panafahana nataony hatrany am-piandohana.
Tsoahy ny anatry ny lasa,
andao avadika ny rasa,
tsy maintsy TIA TANINDRAZANA no maka fitondrana !

Ny vahoaka no hanendry
izay tena olon-kendry
mahatoky, azo antoka fa tsy hivaro-tena.
Tokana ny tarigetra
amin’izay atao rehetra :
“Tsy maintsy averintsika indray ny FIANDRIANAM-PIRENENA” !

Fara Mananjandry
Anosimasina, alakamisy 10 marsa 2005

VERY HEVITRA – #‎imld14‬ ‪#‎malagasy‬

VERY HEVITRA

Tany an-tanin’olona no nivahiny aho
ka iangaviako ise, diniho sy mba araho
ity tantara ity, fa mampieritreritra
sy mahavery hevitra.

Mpivahiny moa
ka niezaka tokoa
Tato anatiko aho hanaja ny fiteniny
Dia tsapako avy hatrany sady tsy nafeniny
izato haravoany
sy fahafaham-pony
nahita ity vahiny tonga avy any ivelany
nanaja tompon-tany sy nindrana ny lelany
Koa hahagaga moa
raha raikitra tokoa
ilay fisakaizana vokatry ny fo :
vonon-kifanampy sy hifanisy soa!

Kanjo tato aoriana
Kepoka aho ka sina…
Fa nony nivahiny taty an-Tanindrazako
Ity sakaiza ity…Inona no tazako?
Ny teniny ihany no niresahany amiko
Fa tsy mba niezaka izy hahay ilay Teny mamiko
Koa hahagaga moa
Raha rava teo tokoa
Ilay fisakaizana nisy tany aloha
Sy ny fikasana hifanisy soa!
satria ny azy ihany no tiany hanjakazaka
F’ilay antsika kosa tsy tiany hahazo laka.
Ka mampieritreritra
Sy mahavery hevitra
Fa misy ny vahiny no mamilafila
Satria ny azy ihany no tiany havesatra ila!

RADO – in. Santabary

Dian-drangotr’i Misa

Misa no ahalalako azy amin’ny fiainany andavanandro, fa tamin’ny fotoana tsy nampoiziko ary tao anatin’ny ngidin’ny fifandripahan’ny samy mpiray tanindrazana kosa, toarian’ny nanapoahan’ny sasany grenady testy Anosy taorian’ny fianianan’i Hery Rajaonarimampianina ka namoizana an’i Kevina sy Andry, no nahitako fa manana talenta miafina ity namako iray ity. Asa soratra efa tany amin’ny 06 Novambra 1995 ity avoakako eto ity. Andro nahamay ny Rovan’i Manjakamiadana. Manasa anao ary hianoka ny kantony.

DIAN-DRANGOTRA NANDRITRY NY AFO

Torovana ny fo, voatraika koa ny saina
Fa aloka no sisa, hany mba ho tantaraina
Dia…aiza indray aho izao no mba hirehareha!?
Eny e! Ekeko fa mbola be dia be,
Kanefa kosa anie, jereo anie ery e!!!!
izy no avo indrindra, ‘lay lova tsy mifindra
Kanefa dia nahetry natao ambany indrindra.

Eny e! diso aho satria, fantatro fa Malagasy ray, Malagasy reny
No zary nahavita ireny rehetra ireny,
Fa mba iza moa izany!? Moa va tsy izaho ihany!?
Ny saiko angamba no efa diso tsy te-hahafantatra ny lasa
Fa hoe hibanjina ny ampitso, ka noheveriko ho angano
Dia nodorako ‘lay trano.
Sa…izaho ve  no voakarama vola fa hoe milaza loza
‘lay antitra tsy mety sola, ka dia voatery nodoroana!?
Na ‘ndrao kosa ary misy ambadika tokoa
Na ‘reo mpanao politika no tsy mety afa-po!?
Tsia…tsy mino izany raha izaho, sa…ahoana hoy ianao?
Na izaho koa aza anie…io seza io mba nahamaika e!
Ka na izany aza anefa, dia any ve no hiantraika!?

Sao hanendrikendrika aho fa aleo  zakaiko samy irery ‘ty hazo fijaliana ho ahy
Zay mafonja sy mahery.
Eh!!!! Indrisy…indrisy…., indro ankehitriny, indro fa tanteraka ilay tsy manantsiny
no trotraka sy reraka.
kila, potika, rava, nandavenona ‘lay haingo, dia apetrako ho baraingo:
IZA, IZA, IZA???

Tsia…! Ngidy sy tsy teliko eto an-tany raha izaho tokoa mantsy no dia nahavita izany.
Ny ràn’ilay rahalahiko angamba no niova volontany, na niofaka ny hodiny
Ka tsy Malagasy intsony fa nivadika avokoa na ny sainy na ny fony.
Eny e! Mivadibadika ny lelako, misavoro ny atidohako
Fa raha fantatro, tsy avelako, na izaho aza hifoterako.

Sambasamba aho izao no mba sahy nihantsy tena,
Ahy irery anefa izany, fa ho anao, mitonia ry firenena
Fa tsy hahafantarana ny marina, sady …tsy aleo aloha manarina!
Fa ho anao Manjakamiadana, matoria, makà aina tsara aloha
Fa ianao dia mbola hitsangana, mbola hijoro toy ny teo aloha

Ramisarimanana RANAIVO (06 Novambra 1995)

%d blogueurs aiment cette page :