TETSY SY TEROA

TETSY SY TEROA

Voalaza mazàna amin’ny haino aman-jery ny tetsy sy teroa,

Mahalasa vinany manohina fo, mahalasa ambiroa,

Fa ny fifankatiavana nisy taloha, toa zary nariana,

Dia ireo tsisy tsiny no voatery hisotro ny rano tsy tiana.

Fa mba firifiry moa ‘reo zaza kamboty noho ny ady politika,

No mbola arangarana ‘reo basy aman-tafondro hanapotika antsika,

‘Reo noana mosary, tsy misy hantenaina , fa miandry fodiana,

Fa ny fahatongavan-tsainan’ireo ‘zay manan-tsandry no asa rahoviana.

Raha ny filazam-baovao tsy hilaozan’izay fisian’herisetra,

Re atsy atsimo fa maro no ripaka, be ‘reo naratra,

‘Njao koa ‘lay feo eroa avaratra koa tsy minitra tsy ora,

Ny fitaovam-piadiana no loha-laharana, atao ramatahora.

Dia mba rahoviana moa zany isika eto izao no hoe hifankahazo,

Ka ‘reo dobo-tafondro hanjary feon’amponga , hanaraka vazo,

Ny ritsoky ny bala hisolo feom-baliha, ny fo hifankatia,

Dia ho tonga  sahan’Edena, ka hiadam-pinaritra ‘ty tanintsika ity.

Ramisarimanana RANAIVO