Harena sy Fananana

Harena sy Fananana

 

Io ilay zanakay, manosika kodiarana,
tsy hitany akory aho, efa eo am-baravarana
fa ny kilalao eny aminy sy ny teny ireriny,
no arosony, ahemony, sady averimberiny

kanjo vao , naheno, ilay hidy varavarako
nibitaka, nifaly, niantso ny anarako
natsipiny daholo, ny rehetra teny an-tanany
ka avy dia niantsampy, ny sandriko niondanany

avy eo dia mamikitra, miakatra eo an-tsoroka
sady feno sangy, no totofako oroka
manomboka miresaka, mibada teny gasy
ilay efa-taona keliko, zanaka Raozigasy

io fa be tantara, ny tany am-pianarana,
hendry be any androany, tsy nisy hifandaharana
dia nilalao baolina, tany an-tokontany
dia avy eo dia nianjera fa tsy nitomany

i neny koa io, manaraka ao aoriana
miandry anjara oroka, sao dada dia variana
sady manondro molotra, ilay zanakay trotroiko
no tsy aritro ihany koa, ka ny volony safoiko

dia indreo izahay, mifamihimpihina
tototra fitiavana, tsy taka-pandinihina
faly, ravo, mirana, feno fiadanana
fitiavana ny anay, no harena sy fananana

Raozigasy Tononkalo

Publicités

Ialahy tsy Malagasy intsony

Ialahy tsy Malagasy intsony

 

IALAKO TSINY KELY ALOHA
HO AN IZAY MAHATSIARO VOA
FA NY AHY NATAO HAMPISAINA
INDRAINDRAY KOA IZANY MBA ILAINA

Ialahy tsy Malagasy intsony

Izaho ilay mihinan-kodi-kena, sy voatavo andro alahady
Izaho ilay mpisotro « diromel » dia avy eo mamono vady
Izaho ilay mitrongy anio, vao mandrapaka ny omaly
Izaho ilay boto irakirak’ialahy rehefa mifaly

Izaho no tena Malagasy

Izaho ilay mitera-bitro, mivovo anaty trano daba
Izaho ilay mitatitr’entana, miloloha gony sy garaba
Izaho ilay tsy mahay manoratra, taranaky ny voambaka,
Izaho ilay monina any ambany, ilay be mpisam manjaka

Izaho no tena Malagasy

Izahay ilay be fianakams, tena bobaka an’isa
Izahay ilay mahantra, efa maro an-tapitrisa
Izahay ilay voavidy, rehefa misy fifidianana
Izahay raha miasa tsara, lasa mba mivarotra anana

Izahay no tena Malagasy

fa ialahy be resaka io, milaza tia ny firenena
ialahy milaza ho avara-pi, ilay any an-dafy no miantsena
ialahy mikata am-palitao, sy mikenda rehefa miasa
ilay manompa an-tenin-gozo, rehefa manitsaka mpiasa

Ialahy tsy Malagasy intsony

f’ialahy mitsoaka any an-dafy, rehefa vizana ny eto
ialahy misotro « whisky » raha sendra ady mampisento
ialahy miketrika « devise », rehefa potika ny bizina
ialahy anaty 4×4, no migobs raha dizina

Ialahy tsy Malagasy intsony

Tsy Malagasy intsony ialahy, fa sisan-tsafiotran’ny vazaha
Tsy Malagasy intsony ialahy, ilay mipitsika, mipà
Tsy Malagasy intsony ialahy, tsy miray lentika amin’ny sambo
Tsy Malagasy intsony ialahy rehefa mitsatsaka ny atambo

Raha tena Malagasy ialahy, izahay aloha jerena
Raha tena Malagasy ialahy, ilaozy ilay fitiavan-tena
Raha tena Malagasy ialahy, izahay leitsy mba vonjeo
Raha tena Malagasy ialahy, izahay madinika jereo

Raozigasy Tononkalo

Taratasy ihany

Taratasy ihany
na hivadika hatanjaka ny teknolojia, handroso ny hai-tao
izao ry poeta, no teny sy mba hafatra zaraiko aminao
an-taratasy ihany, tehirizina ny teny sy ny sora-tanana
fa iny no mandafo, ny hasarobidin’ilay ainga tsy notanana

na ho varatra sy henjana, ny fitaovam-pitahiry, hanaraka lamaody
iny fitaovana iny, hiova isan-taona, ka tsy maintsy maody
an-taratasy ihany, tehirizina ny soratra, sy ny rango-penina
ambony ampanga iny, amin’ny fitadidy, sy ny zavatra tenenina

satria ilay taratasy, nitaty dinitr’ainga, fony ilay niranga
ny vinany diso fantsika, ka nampiarinarina ny vetso ho mangamanga
satria ilay taratasy, nadio nanaiky hizara, ny embonao adala
ireo ranomaso latsaka, ireo vinitry ny fo, ireo sento izay niala

ka na ho tonta aza, na ho rovi-tsisiny, na hiforiporitra
ny boika izay avoakany, rehefa any aoriana, hitanao hisoritra
hamohafoha indray, ilay ainganao nandalo, nitady fanaperana
hisentoanao indray, ilay fotoana mamy, nandalo dia niserana

Raozigasy

%d blogueurs aiment cette page :