Ialahy tsy Malagasy intsony

Ialahy tsy Malagasy intsony

 

IALAKO TSINY KELY ALOHA
HO AN IZAY MAHATSIARO VOA
FA NY AHY NATAO HAMPISAINA
INDRAINDRAY KOA IZANY MBA ILAINA

Ialahy tsy Malagasy intsony

Izaho ilay mihinan-kodi-kena, sy voatavo andro alahady
Izaho ilay mpisotro « diromel » dia avy eo mamono vady
Izaho ilay mitrongy anio, vao mandrapaka ny omaly
Izaho ilay boto irakirak’ialahy rehefa mifaly

Izaho no tena Malagasy

Izaho ilay mitera-bitro, mivovo anaty trano daba
Izaho ilay mitatitr’entana, miloloha gony sy garaba
Izaho ilay tsy mahay manoratra, taranaky ny voambaka,
Izaho ilay monina any ambany, ilay be mpisam manjaka

Izaho no tena Malagasy

Izahay ilay be fianakams, tena bobaka an’isa
Izahay ilay mahantra, efa maro an-tapitrisa
Izahay ilay voavidy, rehefa misy fifidianana
Izahay raha miasa tsara, lasa mba mivarotra anana

Izahay no tena Malagasy

fa ialahy be resaka io, milaza tia ny firenena
ialahy milaza ho avara-pi, ilay any an-dafy no miantsena
ialahy mikata am-palitao, sy mikenda rehefa miasa
ilay manompa an-tenin-gozo, rehefa manitsaka mpiasa

Ialahy tsy Malagasy intsony

f’ialahy mitsoaka any an-dafy, rehefa vizana ny eto
ialahy misotro « whisky » raha sendra ady mampisento
ialahy miketrika « devise », rehefa potika ny bizina
ialahy anaty 4×4, no migobs raha dizina

Ialahy tsy Malagasy intsony

Tsy Malagasy intsony ialahy, fa sisan-tsafiotran’ny vazaha
Tsy Malagasy intsony ialahy, ilay mipitsika, mipà
Tsy Malagasy intsony ialahy, tsy miray lentika amin’ny sambo
Tsy Malagasy intsony ialahy rehefa mitsatsaka ny atambo

Raha tena Malagasy ialahy, izahay aloha jerena
Raha tena Malagasy ialahy, ilaozy ilay fitiavan-tena
Raha tena Malagasy ialahy, izahay leitsy mba vonjeo
Raha tena Malagasy ialahy, izahay madinika jereo

Raozigasy Tononkalo

Publicités

Inoako

Inoako

Inoako fa misy tokoa ny fanahy
azo ianteherana tsisy ahiahy ,
tsy mba mivadika teny nekena,
tsy mampanjaka ny fitiavan-tena.

Inoako fa misy ny fo tena tia,
te-hifanohana sy hiara-dia,
hifampizara ny soa sy ny sarotra,
mandala fihavanana alohan’ny varotra.

Inoako fa misy ny tena sakaiza
tsy mba manary na ho aiza na ho aiza,
tsy mba mijery izay harina an-tava,
manitsy ny diso, manolo ny rava.

Inoako fa misy firahalahiana
ankoatra sy ivelan’ny fianakaviana,
fifankatiavana latsaka anaty,
tsy ravan’ny taona fa toa fatomaty.

Na sendra hakiviana aza aho androany,
inoako fa misy izany olona izany !
Tsy vao hotadiaviko fa efa ao,
inoako izay olona izay fa ianao.

Ianao ilay namana nitari-dalana,
ianao ilay sakaiza tsy manary havana,
ianao ilay nanokatra fo sy fanahy ,
ary tena inoako fa hitantana ahy …

Fara Mananjandry
Barakani-Mayotte, alarobia 1 aprily 2004

inoako_FaraMananjandry

IANAO NAMAKO

IANAO NAMAKO

*************

Ny namako namako foana

namako mandavan-taona

tsy namana toy ny paoma

ka kepohina rehefa noana

fa namana iray mifanohana

manarina raha tafintohina

  mampitraka raha lavo mianjera

mahatanty mandray ny tsikera

mahay izay ekeko sy laviko

manjohy amin’izay diaviko

mananatra raha misy tsy mety

tezitra fa vetivety

tsy mamingana an-dàlan’hombana

tsy mitarika hanao hadalàna

mifampizara ireo hafaliako

manamaivana ny fijaliako

mitovy tigetra kendrena

mitovy fijery amin-tena

fizaràko ny soa sy ny mamy

izay ilay namako raha mbola eto an-tany

Ny any an-danitra mbola tsy haiko

fa ny eto aloha izao no lalaiko

 

Avylavitra 29/03/2012 08h 50 Ambatomitsangana

SANGODIM-PANINA

SANGODIM-PANINA
.
Isaiko ery irony ora miha-mihisatra, mahalana
Ela mihitsy vao mivadika, tsy aritro ny hoe hifarana
Mihodina etsy aho aloha, mitodika atsy indraindray
Fanina eto ihany ‘lahy, aiza loatra izy izay?Ny tantana no efa tsy andriko fa refesiko ho aman-taona
Voafaritra mialoha, izany ora sy fotoana
Izaho mihitsy no efa maika, dodona fa diso manina
Tena izao angaha ilay hoe tratran’ny sangodim-panina!

Thina 20.02.2012 – 00.12 — Canton.

Noana

Noana

Dia io fa seza indray no iadiana,
Seza foana no maha-ratsiana,
D’ireo vahoaka no ampihafiana
Tsy ho anaty lisitr’izay fandaniana.

Dia io ‘lay vahoaka valàla voatango
fa kizo fara sy rovitra akanjo
sy efa tsy homana rehefa antoandro
Ny sasany anefa midingina rambo

Seza, sakafo, harena sy vintana
Ireo no miantona amin’ilay lelam-pintana
Ranontsira mamafy hetaheta
Mampiraparapa ny olon-drehetra.

Dia ito aho fa mivanàka eto ihany
Ny paiso atsy an-kady anefa ho lany
‘zalahy tsy hizara no sady tsy hikaika
Fa hadalàko hono no tsy mba niraika

Avylavitra 30 septambra 2011, 09 : 45 mn alina

Tononkalo malagasy (Raozigasy)

ezahina zaraina amin’ny malagasy rehetra ny fitiavana ny

« Tononkalo malagasy  »

Ianao ry tononkalo, no namako sy arofaniko
Ianao ry soratsoratro, no fefy miaro ireo vinaniko
Ianao ry diam-peniko, no lalam-piainana alehako
Ianao ry teny mamiko, no tabiha sy reharehako

Ianao ry teny malagasiko, no fizarako ny hetaheta
Ianao ry teny kanto indrindra, no nahatonga ahy ho poeta
Ianao ry teny izay tsy foiko, no fizarako irony vetsoko
Ianao ry teny tonga lafatra, no hitantarako izato sentoko

Ianao ry teny nolovaiko, no tena tenin-dreharehako
Ianao ry teny holazaiko, no anambarako ny firehako
Ianao ry teny manan-jina, no manasina ny vavako
Ianao ry teny feno haja , no mamatotra ahy sy ny havako

Koa ny toky omeko anao, ry tononkaloko ry teniko
Ny voady ataoko aminao, ry kanto lova avy amin-dreniko
Dia matokia hatrany ianao, raha mbola tany koa ny tany,
Fa tokana ny Teny tiako, ilay Teny Malagasy izany

Raozigasy

ZARAO ETO (Raozigasy)

ZARAO ETO

Zarao eto ny alahelo nokotrehim-po voadona
Zarao eto ny hadisoana rehefa iny ianao nifona
Zarao eto ny hatezerana, sy ireo otri-balifaty
Dia hihamaivana ianao, raha mivoaka ireo tsy tanty

Zarao eto ny hafaliana, mampitsiky izany tava
Zarao eto ilay fitia, mampisioka izany vava
Zarao eto izany vetso sy embonembona fitia
Dia ho faly ny tontolo, ka an-tsiky no miria

Zarao eto ny hetaheta, ao anatinao mangina
Zarao eto izany nofy, sy hasambarana ho zina
Zarao eto ireo kinasa, novetsoina hotanteraka
Dia hisinda avokoa ireo asa saina izay mandreraka

Zarao eto ireo fijery, sy fahitanao ny tontolo,
Zarao eto na dia hevitra, heverinao fa hoe bontolo
Zarao eto ny fisaina, fibanjinanao ny ho avy
Dia hivadika traik’efa, lesona ho an’ny mpianakavy

Zarao eto ireo kanto, nataonao tsiambararoa
Zarao eto ireo talenta, ho soratra sy masoivoho
Zarao eto ireo fahaizana, izay harenanao miafina
Mba ho kanto malagasy, irin’ny sasany ho tahafina

( http://vetso.serasera.org/news/raozigasy )

%d blogueurs aiment cette page :