NENY Ô !

Matahotra ny tsy ho tafiditra eto intsony alohan’ny fetin’ny Reny aho, ka dia alefako sahady dieny izao ny FIRARIAN-TSOA ho anareo VEHIVAVY rehetra mamaky ity hafatra ity. Tsy àry ny olona raha tsy nisy anareo, tsy re ny tomany raha tsy teo ianareo, feno ny tany noho ianareo. SOA SESEHENA noho izany no noraisina koa indro misy tononkira (miala tsiny fa tsy haiko izay tompony, mba ampio aho)  iray hanampiako izay voalaza.
Andriamanitra anie hitahy ny VEHIVAVY REHETRA TSARA SITRA-PO.

Neny ô
Ianao no fahazavana, nanafosafo sy nihantàna,
Masoandro nahitako ny tontolo,
Nandrotsy, nitaiza sy nikolo.

Ianao no andry nijoroako,
nandritry ny fotoam-pahazazako.
Nibaby sy nitrotro sy nanondrotra.
Ianao tsy nikely soroka.

Fiverenana:
Fisaorana ry Neny no atolotro anao
Isaorana ireny soa vitanao

Neny ô!
Ny fiainako rehetra
Ho anao, ho anao tsy misy fetra,
Atolotro anao ry Nolalaiko
N’inon’inona, eny na ny aiko

Ho tratry ny taona maro mitsingerina indray e!
Saiky homeko teto ny hira misy feony amin’io fa tsy misy fampidirana MP3 tato.