LAMBO SY VITSIKA

LAMBO SY VITSIKA
« Hanao ahoana ianao? Izy efa main’ny afo natsangany »

Aza ketrina, mitady voina!
ity tantara ity, ange,henoina
Tao amoron’ala, ‘ndray hariva,
Tamin’ny harongana ivaiva:
Nisy tranom-biby — vitsikambo!
Ary raha nandalo teo ny lambo,
Dia nahita:, faly, nanantena,
Toy ny saka manimbolo hena!
Ravo koa ny zanany eo afara
(Tsy mba lainga ity, fa tantara!)
Dia nodoniny ilay hazo kely
Raraka ny vitsika! namely!
Renilambo mianakavy:tototra!
Taitra! nefa ny natao no fototra!
Rifatra ny zanany, tsy hita!
Be ny folaka, nahazo sita!
Renilambo, tetsy, nisafoaka,
Feno ratra! Lasa koa nitsoaka!
Nefa ange, ahoana, ray vahoaka?
Moa tsy izany « reo mpisotro toaka?

Nalaina tamin’ny « Tantely tovon’anoka »
nosoratan’i RAKOTOVAO Johanesa (Mpitandrina)

Tandremo zany ny tsy mahalala onona an! Zaho tsy miteny hoa AZA, fa samia mamosavy tena , nefa aza amosaviana ny hafa. Sa tsy izany.

Fa ny tena anton’ny tononkalo avoakako mifanesy eto dia ny fahitako fa misy teny Malagasy mba tsara hotehirizina ao anatin’izy ireo ary efa tsy dia hain’ny amin’izao fotoana intsony ilay mandrafitra tononkalo toy itony.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :