Saronankarona

Ny ranontrambo no be fiavy fa mora ritra, fa ny arahaba atolotra anareo kosa toy ny jojon’erika ririnina, madini-piavy fa mahavonto tany. Koa arahaba tompokolahy, arahaba tompokovavy.

Ny SAKELIKA
**************

Fanolotra aorian’ny vodiondry ny sakelika ary misy fito no isany. Iray amin’ireny no atolotra anao eto.
Ny saronankaron-drahavavy: mandritra ny fampakaràm-bady dia harona roa mifanàrona takian’ny mpamoaka ny tovovavy izy io, raha mbola mànana zoky tsy manambàdy ity farany.
Ny mpangàtaka no manolotra azy ho an’ny mpamoaka. Ary ny mpamoaka kosa indray no manolotra azy an’ilay tovovavy hampakàrina. Io tovovavy hampakàrina io no manome azy ilay zokiny mbola tsy manambàdy avy eo.
Araka ny isan’ny zoky vavy tsy mbola manambàdy ao an-tokantranon’ny raiamandreny no isan’ny saronankarona tsy maintsy atolotra.
Teo amin’ny Ntaolo Malagasy mantsy, ny fanambadiana dia tokony ho arakara-jokiny hatrany no ivoahàna. Saingy ny anjara moa samy mànana ny azy.

Inona no ao anatin’io saronankarona io?
***************************************
Mbola misy manao azy ity na dia tsy maro aza ankehitriny . Fanomézana (cadeaux) no ao anatiny. Toy ny famantaranàndro, rado (collier), haba (bracelet), akanjo sy ny sisa.
Ny andriambavilanitra (vehivavy) dia noharina tamin’ireny ravaka (bijoux) isan-karazany ireny:
hoy ny Ntaolo hoe « Ianareo no rado haingon’ny vozona, haba endriky ny sandry, peratra bikan’ny
rantsana,  tsipela-manga
(tsipelana = orchidée, raha tsy diso ny tenako, ary ny manga dia mariky  ny hatsaràna) ravaky ny tanety. Mitoetra ravaky ny tokantrano, mandeha ravaky ny làlana
. »
 

2 Réponses

  1. miarahaba,

    tena tsara ny nanaovanao ity serasera ity fa tena nahaizako voambolana malagasy maro. Izany rado sy haba izany izao tato no nahitako ny tena dikany.

    Misaotra fa tena manampy tokoa.

    Ary hono hoa, inona no dikan’ilay hoe
    ranotrambo sy sakelika?

    J'aime

  2. Ny ranontrambo: tsy vaovao amin’ny olona monina amoron-tendrombohitra sy toerana avo izy io. Rehefa mitsahatra ny orana, dia misy rano be mahafaoka olona na fiara mihitsy aza, mipoitra tampoka avy any ambony any, rehefa avy nitambatambatra sy niangona tany ny riaka kely eraky ny havoana. Iny rano be migorodana sy mivatravatra fiavy iny no atao hoe ranontrambo.
    Ny sakelika moa dia nentina nilazana ireo zavatra fivatsin’ny mpangata-bady rehefa hivahiny any amin’ny tokatranon-draiamandrenin-drazazavavy. Iray amin’ireny io saronankarona naroso teto io. Mbola eo ampitadiavana ny sasany amin’izy ireny aho, fa mbola tsy nahangona. Rehefa mahazo fanampiny dia arosoko eto ihany.
    Angamba aza avy amin’io anarana io no niavian’ny hoe « misakelika » , mba hanondroana koa ny hoe « mitondra ».

    J'aime

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :