torotoro ravina (tohiny sady farany)

Ny tanora raha mifampiarahaba dia tsy mila misoka-bava, dona kely raha mifankahita, tehatehaka dia samy vita. Faly miarahaba anareo tompokolahy sy tompokovavy. Enga anie ianareo mba ho mamboly manana ny maitso fa tsy mpivarotra manana ny malazo.

Torotoro ravina (farany)

Ny momba ny zaza ateraky ny mpivady

hoy ny mpamoaka an-dravehivavy: « Ny zanaka nampanambadiana lasan’ny olona, omby namidy tsy an’ny tompony, velona tsy iray trano, maty tsy iray fasana. ». Ka raha tonga re tompoko ny fotoana izay
hahatanterahan’ny tso-dranontsika mianakavy manao hoe « maro fara, maro dimby, ho arahan-jazalahy,
ho arahan-jazavavy
 » ary migadona ihany koa ny fotoana hanomezana’Andriamanitra azy ireo zaza, dimby amam-para, raha sitra-pony, ny zaza ampy mira dia ho anay, satria izany no fomban-drazana mba tsy ho atody maty fanova ny reniny.

valin-teny avy amin’ny mpangata-bady: raha ny amin’izany, tompoko, dia tsotra ohatry ny fandraka ny teninay, goaika fotsy tenda, zoro telo rirana izahay ka tsy manova ny nentin-drazana.
Enga anie izy, tompoko, mba ho maro fara, ho maro dimby, mba ho ampy mizara ny zaza aterany.

Ny atao hoe zaza ampy mira dia ny zanak’izy mivady teraka voalohany, kanefa mba hahatonga azy ho ampy mira dia tsy iray izany ny zaza fa roa, izany hoe zaza afaka miara-milalao.

Ny veloman’ny fo ravoravo
misandratra ambony dia ambony
fiononanan’ireo mavomavo
mampisinda ny senton’ny fony
veloma tompokolahy, mandra-pihaona tompokovavy

Hafatra:

Ny fanambadiam-boalavo no samy mikepoka izay azony, ny fanambadian’amboa no voky tsy mahatsiaro vady, noana indrindra indrindra. Fa ny fanambadian’olom-banona kosa e! toy ny Tsipohy mifamelona ka na valala iray aza ifanapahana

2 Réponses

  1. Mankasitraka hoa ! Tena izany no teny malagasy.
    Ny ahy izany efa « zaza ampy mira » satria efa mihoatra ny iray.
    Sao hampianatra hikabary? Misaotra betsaka fa tena mampianatra ahy voambolana iray vaovao.

    J'aime

  2. Mankasitraka avylavitra a! Izany tokoa ka tena kanto e

    J'aime

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :