Saronankarona

Ny ranontrambo no be fiavy fa mora ritra, fa ny arahaba atolotra anareo kosa toy ny jojon’erika ririnina, madini-piavy fa mahavonto tany. Koa arahaba tompokolahy, arahaba tompokovavy.

Ny SAKELIKA
**************

Fanolotra aorian’ny vodiondry ny sakelika ary misy fito no isany. Iray amin’ireny no atolotra anao eto.
Ny saronankaron-drahavavy: mandritra ny fampakaràm-bady dia harona roa mifanàrona takian’ny mpamoaka ny tovovavy izy io, raha mbola mànana zoky tsy manambàdy ity farany.
Ny mpangàtaka no manolotra azy ho an’ny mpamoaka. Ary ny mpamoaka kosa indray no manolotra azy an’ilay tovovavy hampakàrina. Io tovovavy hampakàrina io no manome azy ilay zokiny mbola tsy manambàdy avy eo.
Araka ny isan’ny zoky vavy tsy mbola manambàdy ao an-tokantranon’ny raiamandreny no isan’ny saronankarona tsy maintsy atolotra.
Teo amin’ny Ntaolo Malagasy mantsy, ny fanambadiana dia tokony ho arakara-jokiny hatrany no ivoahàna. Saingy ny anjara moa samy mànana ny azy.

Inona no ao anatin’io saronankarona io?
***************************************
Mbola misy manao azy ity na dia tsy maro aza ankehitriny . Fanomézana (cadeaux) no ao anatiny. Toy ny famantaranàndro, rado (collier), haba (bracelet), akanjo sy ny sisa.
Ny andriambavilanitra (vehivavy) dia noharina tamin’ireny ravaka (bijoux) isan-karazany ireny:
hoy ny Ntaolo hoe « Ianareo no rado haingon’ny vozona, haba endriky ny sandry, peratra bikan’ny
rantsana,  tsipela-manga
(tsipelana = orchidée, raha tsy diso ny tenako, ary ny manga dia mariky  ny hatsaràna) ravaky ny tanety. Mitoetra ravaky ny tokantrano, mandeha ravaky ny làlana
. »
 

Ny fanambadiana

Ny zaza mankeo ampofoan-dreniny, te-hotrotroina, ny zaza mankao an-damosiny kosa te-hobabena. Izahay kosa raha manolotra ny arahàba dia te-haneho fifaliana aminareo. Koa am-pifaliana tanteraka hatrany no iarahabàna anareo. Mba ho toy ny maitso ririnina anie ianareo, ka ny lohataona sy ny fahavaratra e, iaraha-misalahy amin’ny hafa, fa ny ririnina, tombon-dahiny manokana.

NY FANAMBADIANA

Lava ny resaka momba ny torotoro ravina teo aloha teo satria sarobidy sy saro-pady tamin’ny Ntaolo ny fanambadiana, nefa hoy ny Ntaolo hoe « Aleo lava dinika satria izay lava dinika, hono, lava rariny , ary ny hanongotsongoana ny maty dia satria atahorana ny hanirim-belona« 
Ny fanambadiana mantsy tsy mba toy ny torimason’akoho ka ho vitan’anjona (teny iray tarika amin’ny hoe mianjonanjona), na toy ny torimasom-baviantitra ka vita eny ampitsongoana anana, na sakafom-boay ka vita teli-moka (voatelina tsy mila tsakoina). Fa lamban’akoho ka faty no isarahana. Taon-jezika an-kady (fitaomana no lazaina eto fa tsy taona toy ny hoe 2008 akory)  ka ny masoandro maty no mampalahelo. Ary torimason’ny jamba ka aina no fetra.

Amin’ny fanambadiana dia  aleo tsy manana toy izay manan-dratsy. Aleo aza misonenika an-toerana, toy izay mitsangan-tsy mahay.

Koa rehefa mafy àry ny fototra, tsara ny fifanaràhana eo amin’ny roa tonta, izay vao tena vita ny ataon-tsika hoe torotoro ravina. Aorian’izany vao atolotra ny fehin’ny fanambadiana na ny orimbaton’ny fanambadiana, na ny fanorenam-panambadiana, dia ny VODIONDRY izany. Zava-dehibe io vodiondry io ka ho entintsika amin’ny manàraka eto ny tantàrany, ny heviny ary ny maha-zava-dehibe izany vodiondry izany

Izay indray aloha ny zava-bita, fa amin’ny manaraka indray mifankahita. Hametraka ny veloma finaritra, ho tojo ny soa maharitra. Mandra-panoratra tompokolahy sy tompokovavy

torotoro ravina (tohiny sady farany)

Ny tanora raha mifampiarahaba dia tsy mila misoka-bava, dona kely raha mifankahita, tehatehaka dia samy vita. Faly miarahaba anareo tompokolahy sy tompokovavy. Enga anie ianareo mba ho mamboly manana ny maitso fa tsy mpivarotra manana ny malazo.

Torotoro ravina (farany)

Ny momba ny zaza ateraky ny mpivady

hoy ny mpamoaka an-dravehivavy: « Ny zanaka nampanambadiana lasan’ny olona, omby namidy tsy an’ny tompony, velona tsy iray trano, maty tsy iray fasana. ». Ka raha tonga re tompoko ny fotoana izay
hahatanterahan’ny tso-dranontsika mianakavy manao hoe « maro fara, maro dimby, ho arahan-jazalahy,
ho arahan-jazavavy
 » ary migadona ihany koa ny fotoana hanomezana’Andriamanitra azy ireo zaza, dimby amam-para, raha sitra-pony, ny zaza ampy mira dia ho anay, satria izany no fomban-drazana mba tsy ho atody maty fanova ny reniny.

valin-teny avy amin’ny mpangata-bady: raha ny amin’izany, tompoko, dia tsotra ohatry ny fandraka ny teninay, goaika fotsy tenda, zoro telo rirana izahay ka tsy manova ny nentin-drazana.
Enga anie izy, tompoko, mba ho maro fara, ho maro dimby, mba ho ampy mizara ny zaza aterany.

Ny atao hoe zaza ampy mira dia ny zanak’izy mivady teraka voalohany, kanefa mba hahatonga azy ho ampy mira dia tsy iray izany ny zaza fa roa, izany hoe zaza afaka miara-milalao.

Ny veloman’ny fo ravoravo
misandratra ambony dia ambony
fiononanan’ireo mavomavo
mampisinda ny senton’ny fony
veloma tompokolahy, mandra-pihaona tompokovavy

Hafatra:

Ny fanambadiam-boalavo no samy mikepoka izay azony, ny fanambadian’amboa no voky tsy mahatsiaro vady, noana indrindra indrindra. Fa ny fanambadian’olom-banona kosa e! toy ny Tsipohy mifamelona ka na valala iray aza ifanapahana

torotoro ravina (tohiny)

Ny torotoro ravina (tohiny)

ny paiso tsy mandingana taona, ny alina tsy mialoha ny maraina. Na dia varimbarin’ny ela tsy nihaona aza, ny arahàba tsy mba azo dikàina. Koa arahàba indray tompokolahy, arahàba tompokovavy. Mba ho mamy tian’ny soa anie ianareo, ary hangidy lavitry ny faty.

Ho tohin’ny resaka efa nifanaovana dia ireto aroso indray izany ho famenon’ny teo aloha.
3* ny kitay telo an-dàlana: raha ara-bakiteny dia horaisintsika ohatra ny kitay iray fehezana.
Zaraintsika atao toko telo mitovy ilay iray fehezana, ka ny toko roa dia an’ny lahy (angonin’ny lahy), ary ny am-pahatelony dia raofin’ny vavy. Io kitay telo an-dàlana io dia sary anehoana ny fizaràm-panànana ataon’ny mpivady rehefa misaraka.
Ireto misy fomba fiteny taloha momba ny fanambadiana efa hitany fa tsy metimety ka tsy maintsy hisaraka :
 » Ny fanambadiana tsy mba nafehy fa nahàndrotra« . Ny hoe nahàndrotra dia fatotra songory tahaka ny famatotra tadin-kiraro.

« Ny misara-maty no mampalahelo fa misara-belona ka tsy maninona e!, raha ho vintana dia mivady, fa raha tsy vintana kosa dia misaraka ihany« ,
 » Ny fanambadiam-barombarotra, ny varotra varotra rahateo, fa raha lany  ny fitia, manova no mety, fa i Madagasikara tsy lany olo-manga« ,

« Ny vodi-sobiky aza manan-tandrify, ny vehivavy no tsy miteraka fa ny lehilahy tsy mba momba, ka ny momba roa tsy iray trano« .
4* Ny vehivavy no mitahiry vola : adihevitra atao mandritry ny torotoro ravina koa io satria taloha ny vehivavy dia toy ny mpikarama fotsiny, tolorana ny vola holaniana ao an-tokantrano, fa ny lehilahy mihitsy no mitàna ny vola. Izy mihitsy no mizara hoe : ity no holaniana anio, ity no hampiasaina ny ampitso… Misy mihitsy aza ny lehilahy taloha no nantsoina hoe
« lehilahy mifehy toko« , izany hoe feheziny iny toko telo mitsangana fanao fàtana iny fa sao dia mandrehitra afo antsokosoko ao, hono, ravehivavy mandram-pahatongany. Noho izany dia niadiana mafy mihitsy tao anatin’ny torotoro ravina ny mba hitazonan’ny vehivavy ny resaka vola sy ny
fandaminana ny raharaha ao an-tokantrano…

Torotoro ravina

Ny arahàba raha toa mahazo làka dia toy ny volamena tsy mba miofo.Koa arahaba Tompokolahy, arahaba Tompokovavy.
Enga anie ny fifampizarantsika toy  izao ho toy ny fihaonan’ny farihy manganohano sy ny diavolam-pararàno, ka ny vangiana miramiran-tàva, ny mpamangy kosa e!  sariaka lalandàva.

Ny hojerentsika hanombohana azy ity ary dia ny :

                          Ny torotoro ravina

izy io fifamarafarana ny amin’izay ho fifampitondràna eo amin’ny fanambadiana, na koa amin’ny fisaràhana aza. Dinika tena lava io satria misy fifanarahan’ny roa tonta ao. Miaraka misakafo eo daholo ny fianakaviana roa tonta, ary satria moa tsy nisy ny lovia toy ny amin’izao fotoana, dia ravina mihitsy no solony fahiny. Toro mihitsy noho ny tsaingotsaingoka ataon’ny tànana eo amboniny iny ravina iny amin’ny ankabobeny vao vita ny dinika rehetra.
Tsy maintsy atao anefa ny marimaritra iraisana. Ireto ary ny santionan’ny dinika izay hita mandritra ny torotoro ravina:
1* ny harenan’ny mpivady : zavatra takian’ny andaniny avy any amin’ny zatovovavy any amin’ilay zatovolahy ho harena iombonana entina hiaingan’ny tokantrano, ohatra: omby. Raha tsy misy ny omby dia ondry. Raha tsy misy ny ondry dia akoho mavo. Izay no nahatonga ilay fitenenana hoe : »Sao dia sodokan’ny akanga tsara soratra, ka manary ny akoho mavon-drazana »
2*ny harena maintimolaly : harenan-drangahy na ramatoa manokana talohan’ny nanorenany tokantrano. Nitondra omby ohatra ralehilahy, maintimolaliny. Miteraka olana matetika io resaka maintimolalay io raha sendra misy fisarahana tampoka eo amin’ny mpivady. Niteraka tao anatin’ny fanambadiana anefa ilay omby. Mitaky avy eo ny fianakavian’ny vavy raha sanatria misy tsy fifanarahana, ka miteny fa tsy velona ireo biby raha tsy teo ny zanany vavy nikarakara. Izay no tsy maintsy isian’ny marimaritra iraisana.
Hafatry ny herinandro:
Ny tendrom-po tsy mba nàmana. Raha taitra ny rano mamàky fefiloha, raha mitroatra ny fo mandrava fihavànana, raha henjan-droa ny tady tsy maintsy tàpaka, raha tezitra andriamatoa, mba mamitsaka ramatoa, raha tezitra ramatoa, mba tsy mamàly andriamatoa. Fa raha saro-po manambady e! tonga nenina an-kibo no farany.

 (isaorako manokana eto Dadafara Rajaobelison mpanolotra fandaharana ao amin’ny RNM, miaraka amin’i Dany Rabemananjara satria ny maro amin’izay rehetra hasehoko eto dia nalaina avy amin’ny fampianarany daholo, na dia tsy ho izy rehetra aza.

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.

Rejoignez 850 autres abonnés

%d blogueurs aiment cette page :