Hoy ny namako iray (Pissoa) raha namerina ity tononkalo nosoratako ity ho ahy “Ataoko dika petaka eto ilay tononkalo tary amiko mikasika ny fetin’ny Ray – 21/06/2008“. Antony iray tsy mba nanànan’ity tononkalo ity lohateny dia satria fanamarihana nataoko tamin’ny zavatra nosoratan’ireo namana hafa nanodidina ny andro natokana hankalazàna ny Fetin’ny ray tamin’ny 2008 izy ity.
Na fetin’ny ray io na fetin’ny reny
Aoka ho tsaroana ombieny onbieny
fa olona roa mifameno izy ireny
ka tokony henoiny rehefa mitenyRaha i Neny malefaka mandambolambo
‘lay mahatonga ny ankizy hidingina rambo
dia i Dada no lasa ‘lay mpivazavaza
Ny tanjon’ireny: mba ho hendry ny zazanefa na dia misy aza ireo be dongy
tsy vitany kosa ny hamely totohondry
miteny, mananatra izy, midradradradra
mbola tanjon’ireny ny hahendry ny zaza.
Avylavitra
Filed under: ny Kanto Malagasy, teny malagasy Tagué: | fetin'ny ray, Fetin'ny Reny



