ezahina zaraina amin’ny malagasy rehetra ny fitiavana ny
« Tononkalo malagasy »
Ianao ry tononkalo, no namako sy arofaniko
Ianao ry soratsoratro, no fefy miaro ireo vinaniko
Ianao ry diam-peniko, no lalam-piainana alehako
Ianao ry teny mamiko, no tabiha sy reharehako
Ianao ry teny malagasiko, no fizarako ny hetaheta
Ianao ry teny kanto indrindra, no nahatonga ahy ho poeta
Ianao ry teny izay tsy foiko, no fizarako irony vetsoko
Ianao ry teny tonga lafatra, no hitantarako izato sentoko
Ianao ry teny nolovaiko, no tena tenin-dreharehako
Ianao ry teny holazaiko, no anambarako ny firehako
Ianao ry teny manan-jina, no manasina ny vavako
Ianao ry teny feno haja , no mamatotra ahy sy ny havako
Koa ny toky omeko anao, ry tononkaloko ry teniko
Ny voady ataoko aminao, ry kanto lova avy amin-dreniko
Dia matokia hatrany ianao, raha mbola tany koa ny tany,
Fa tokana ny Teny tiako, ilay Teny Malagasy izany
Raozigasy
Filed under: ny Kanto Malagasy, teny malagasy Tagué: | kanto, malagasy, tononkalo, voady




“… no fefy miaro ireo vinaniko…”
mahalaza sady ankafiziko
Anisan’ny mampiavaka antsika Malagasy ny Tononkalo.Aoka re mba samy ahay hankafy ny maha izy antsika isika rehetra.