ILAY DADA
Objet : Atolotra ny ray malagasy rehetra isan-tokantrano
Ilay tokana eto an-tany
Mpizara hanihany
Mpizara sangisangy
Mpizara tambitamby
Ilay andrin’ny ankohonana
Mpanome fiononana
Raha sendra hakiviana
Raha tojo fahoriana
Ilay tsikim-pifaliana
Mpitondra hamamiana
Ho an’ny fianakaviana
Tia sady tiana
Ilay hery fiarovana
Tsy mahay torovana
Mpisedra sy mpiaritra
Ilay fiainana adi-sarotra
Ilay arahabaina androany
Satria ny eran-tany
Dia miara-miombom-bavaka
Ho anao miavaka
Nosoratan’i Raozigazy ho an’i Ray Malagasy rehetra manerana ny tany
http://www.facebook.com/l/;http://vetso.serasera.org/tononkalo/raozy/ilay-dada
Archivé sous: ny Kanto Malagasy