Maro ny takelaka azo tsidihana ao amin’ny vohikalan’ny SERASERA.ORG, fa notsongaiko manokana ny VETSO.SERASERA.ORG. Sehatra iray ifanenan’ny kanto Malagasy sy ny mpankafy azy izy io. Tsy natao ho an’ny matihanina irery anefa ny fandraisana anjara ao, fa na ianao mamaky ity hafatra ity aza dia afaka mametraka izay vetsovetsom-po na aingam-panahy sendra nandalo taminao ka noraiketinao an-tsoratra. Iza no mahalala, mety ho izay soratra kely napetrakao izay no hitondra anao ho amin’ny sehatra avo atsy aoriana.
Manerana ny vazan-tany rehetra no nipoiran’ny kanto voarakitra ao amin’ny VETSO.SERASERA.ORG, ary maroloko sy tsy mialonjafy ihany koa.
Isan’ireo nametraka ny kanto avy aminy i Raozigasy, ary tena nitondra fofona namerovero tonga hatraty anaty fo sy fanahiko koa, ka dia zaraiko aminao.
Manentana anao aho mba handalo kely amin’izany takelaka izany, na dia ho minitra vitsy monja aza fa tsy hanenenanao ny mahalala fa hay marobe ny Malagasy no mànana talenta, ary marobe ny Malagasy no mbola mitàna tsara ny fomba fanoratra sy ny tsipelina nolovainy.
Indro ary atolotra anao izay vokatry ny tany entin’i Raozigasy:
=========> ZARAO ETO
Zarao eto ny alahelo nokotrehim-po voadona
Zarao eto ny hadisoana rehefa iny ianao nifona
Zarao eto ny hatezerana, sy ireo otri-balifaty
Dia hihamaivana ianao, raha mivoaka ireo tsy tantyZarao eto ny hafaliana, mampitsiky izany tava
Zarao eto ilay fitia, mampisioka izany vava
Zarao eto izany vetso sy embonembona fitia
Dia ho faly ny tontolo, ka an-tsiky no miriaZarao eto ny hetaheta, ao anatinao mangina
Zarao eto izany nofy, sy hasambarana ho zina
Zarao eto ireo kinasa, novetsoina hotanteraka
Dia hisinda avokoa ireo asa saina izay mandrerakaZarao eto ireo fijery, sy fahitanao ny tontolo,
Zarao eto na dia hevitra, heverinao fa hoe bontolo
Zarao eto ny fisaina, fibanjinanao ny ho avy
Dia hivadika traik’efa, lesona ho an’ny mpianakavyZarao eto ireo kanto, nataonao tsiambararoa
Zarao eto ireo talenta, ho soratra sy masoivoho
Zarao eto ireo fahaizana, izay harenanao miafina
Mba ho kanto malagasy, irin’ny sasany ho tahafina( http://vetso.serasera.org/news/raozigasy )
Isaorana manokana i Raozigasy tamin’ny namelany ny hametrahana ny asa sorany teto.
Archivé sous: ny Kanto Malagasy, teny malagasy
ezahina zaraina amin’ny malagasy rehetra ny fitiavana ny
“Tononkalo malagasy ”
Ianao ry tononkalo, no namako sy arofaninko
Ianao ry soratsoratro, no fefy miaro ireo vinaniko
Ianao ry diam-peniko, no lalam-piainana alehako
Ianao ry teny mamiko, no tabiha sy reharehako
Ianao ry teny malagasiko, no fizarako ny hetaheta
Ianao ry teny kanto indrindra, no nahatonga ahy ho poeta
Ianao ry teny izay tsy foiko, no fizarako irony vetsoko
Ianao ry teny tonga lafatra, no hitantarako izato sentoko
Ianao ry teny nolovaiko, no tena tenin-dreharehako
Ianao ry teny holazaiko, no anambarako ny firehako
Ianao ry teny manan-jina, no manasina ny vavako
Ianao ry teny feno haja , no mamatotra ahy sy ny havako
Koa ny toky omeko anao, ry tononkaloko ry teniko
Ny voady ataoko aminao, ry kanto lova avy amin-dreniko
Dia matokia hatrany ianao, raha mbola tany koa ny tany,
Fa tokana ny Teny tiako, ilay Teny Malagasy izany
Raozigasy