“Tsotsam-paika ka matim-bela”
Omaly, fa tsy ela :
‘Bakaka sy ‘Ndretra nikatroka vela !
Nafàna ny paika
Fa samy tsy maika !
Harefo sy herana sy ny zozoro :
Tsy nisy nanoro !
Jambena Ibakaka
Ka niala ny laka :
Nofoinan”Indretra
Ka tora-mitoetra !
Ny toho sy trondro dia indray nisahotaka,
Indray nitanaka toa mamon’ny fotaka :
Tsy sahy nijery,
Fa voa ny mahery !
Ranito ny saina, rankizy malala,
Fa dia mahamenatra ny “be adala !”
Nofoinana : natao tapi-dàlana, tsy afa-mikofoka intsony. Maty ny fanorona rehefa izay no izy.
Archivé sous: teny malagasy | Tagué : haranitan-tsaina, saobakaka, tsindretra, vela