ILAY SOKINA

“Niala tao Ankatso ka eo Ambohidempona”

Teo amoron-drano, ‘ndray mandeha,

Nisy sokina nirehareha.

‘Zay valala sendra mba nandalo

Lany ripak’itsy fahavalo.

Kanjo, tampoka, injay feo !

Taitra Isokina ka lasa teo.

‘Njay ny feo!… akaiky!… feon’alika…

Aiza no nilefa ihavantsika ?

Indro, lavaka mitanatàna !

Niditra izy, sempotra sy àna !

Nefa loza? – “Dadako, mangidy!”

‘Njany tandramokotra mihidy !

Ketoka ny loha manontolo,

Ka nitsanga-menatra ny volo !

Loza nilefàna; loza hita!..

Vetivety foana: maty ! vita !

Drakaka madonda efa liana

No nitsentitra amim-pifaliana !

To’izany, mantsy, ny eto an-tany:

‘Zay manimba mbola hitomany !

Drakaka. Karazam-poza vaventy, somary volomparasy manjamanja, monina eny amoron’ony, akaikin’ny vinany, fa tsy dia hatrany an-dohany tsy akory.Tsy fihinan’ny Antemoro izy io, nefa toa ankafizin’ny Antesaka.

Laisser un commentaire