ILAY SOKATRA SY NY TANALAHY

“Roa lahy miditra ala, ka izy tokiko, ary izaho tanjany”

Raha ianao no mino, fa io mpanompo sampy:

Mpiara-monina, e, dia aoka hifanampy !

Tany Sandranavy, vohitra any Ibara,

‘Zao no tafasiry efa reko tsara:

Nisy, hono, sokatra antitra sy jamba

(Biby hafahafa, toa karaza-mamba ? ):

Niakatra an-tanety, nidina ao an-kona:

Kibo noana lava, loha koa voadona !

Heriny: namitsaka eo ambody hazo,

Toy ny mpivahiny latsaky ny tazo.

Ary nisy tanalahy nanantsafa:

“Zovy ? biby ? vato ?” – “‘Zaho fa tsy hafa!”

- “Iza?” – “Sokatra antitra efa poaka!”

- “‘Zany gadralava tsy afaka mivoaka?”

- “Ory foana! maty lava ! mahonena !”

- “‘Tesa anie aho!” – “‘Zao no hevitro razandry:

Mbola henjana ny tongotro sy sandry !

Aoka hiaraka fa samy ratsy bika !

Fikambanana no mahasoa antsika.

Ary izaho: tongotra, ianao ho maso,

Ka tazàno tsara izay manao an-kaso !”

- “Eny, hoy ny tàna, raha misy hàza :

Hiara-misalahy, fa izaho no hilàza !”

‘Zay no velirano! Oainy, fa niantsampy !

Mpiara-monina, ô ! mahaiza mifanampy !

“Tesa anie aho” -”Matesa anie, aho !” Fitenin’ny reny mangoraka ny zanany naratra na marary … “‘Tesa anie aho, sombin’aiko !”

Une réponse

  1. Tsara be fa tohizo e.

Laisser un commentaire