GISA SY DOKOTRA

Indray fahavaratra: tonga ny rano!

Dia faly ny dokotra samy lomano!

Kanefa nanatona ity gisalahy:

Nanao am-bozizy, nanao sahisahy!

Voakapony mafy ity dokotra kely:

Dia taitra ny rainy, ka saiky hamely!

Fa tamy nanatona kosa ny maro,

Ka sady nananatra an’itsy no niaro:

Nanao toho-tsofina, velon-korana:

“Raha izao no mipaka, dia ady mafana!

Isika handresy, fa “be noho vitsy”

Kanefa ny mety, dia “aoka mihitsy!”

Mandefitra aloha no mety amintsika,

Fa izay feno avona mbola hihika!”

Dia lasa ny dokotra nanahy lamba.

Kinanjo Ragisa voapaokan’ny mamba!

Nanoja ny rano! Voadona ny herana!

Ka izao no fiteniny reko niserana:

“Toneo mba halemy ny fahatezerana,

Fa tsara miafara ny tia fandeferana!”

Laferana: Tokony ho “leferana“, avy amin’ny lefitra, milefitra, ileferana.

Laisser un commentaire