AMALONA SY SAHONA

AMALONA SY SAHONA

“Matin-kanin-kely toa amalona”

Indray takariva nandrahona :

Taitra ity sahona,

Fa tana-mangeja, farango mandratra

Namely ny tratra!

Dia nandro tsy fidiny tao an-kamory;

Nandao ny sakaiza niaraha-nivory

Ka very ny tory!

Amalo-masiaka no mba mihantàna:

“Vonjeo aho, Dada, fa ngoly sy àna!”

- Mangina fa remby! -  Nandrapaka izy

Kanefa voafintana mora, rankizy

Izay no tantara mba tian-ko lazaina ;

‘Zay hendry, misaina!

Une réponse

  1. Misaotra eee !

    Ianarana any ampianarana ve itony ? Toa mahafinaritra raha mba ianaran’ny ankizy any an-tsekoly hi hi.

Laisser un commentaire