Posté sur avril 26, 2008 par avylavitra
“Tsotsam-paika ka matim-bela”
Omaly, fa tsy ela :
‘Bakaka sy ‘Ndretra nikatroka vela !
Nafàna ny paika
Fa samy tsy maika !
Harefo sy herana sy ny zozoro :
Tsy nisy nanoro !
Jambena Ibakaka
Ka niala ny laka :
Nofoinan”Indretra
Ka tora-mitoetra !
Ny toho sy trondro dia indray nisahotaka,
Indray nitanaka toa mamon’ny fotaka :
Tsy sahy nijery,
Fa voa ny mahery !
Ranito ny saina, rankizy [...]
Archivé sous: teny malagasy | Tagué : haranitan-tsaina, saobakaka, tsindretra, vela | Laisser un commentaire »
Posté sur avril 26, 2008 par avylavitra
“Roa lahy miditra ala, ka izy tokiko, ary izaho tanjany”
Raha ianao no mino, fa io mpanompo sampy:
Mpiara-monina, e, dia aoka hifanampy !
Tany Sandranavy, vohitra any Ibara,
‘Zao no tafasiry efa reko tsara:
Nisy, hono, sokatra antitra sy jamba
(Biby hafahafa, toa karaza-mamba ? ):
Niakatra an-tanety, nidina ao an-kona:
Kibo noana lava, loha koa voadona !
Heriny: namitsaka eo ambody hazo,
Toy [...]
Archivé sous: teny malagasy | Tagué : fifanampiana, fifankatiavana, sokatra, tanalahy | 1 commentaire »
Posté sur avril 26, 2008 par avylavitra
“Niala tao Ankatso ka eo Ambohidempona”
Teo amoron-drano, ‘ndray mandeha,
Nisy sokina nirehareha.
‘Zay valala sendra mba nandalo
Lany ripak’itsy fahavalo.
Kanjo, tampoka, injay feo !
Taitra Isokina ka lasa teo.
‘Njay ny feo!… akaiky!… feon’alika…
Aiza no nilefa ihavantsika ?
Indro, lavaka mitanatàna !
Niditra izy, sempotra sy àna !
Nefa loza? – “Dadako, mangidy!”
‘Njany tandramokotra mihidy !
Ketoka ny loha manontolo,
Ka nitsanga-menatra ny volo !
Loza [...]
Archivé sous: teny malagasy | Tagué : drakaka, loza, sokina, valava | Laisser un commentaire »
Posté sur avril 26, 2008 par avylavitra
Indray fahavaratra: tonga ny rano!
Dia faly ny dokotra samy lomano!
Kanefa nanatona ity gisalahy:
Nanao am-bozizy, nanao sahisahy!
Voakapony mafy ity dokotra kely:
Dia taitra ny rainy, ka saiky hamely!
Fa tamy nanatona kosa ny maro,
Ka sady nananatra an’itsy no niaro:
Nanao toho-tsofina, velon-korana:
“Raha izao no mipaka, dia ady mafana!
Isika handresy, fa “be noho vitsy”
Kanefa ny mety, dia “aoka mihitsy!”
Mandefitra aloha [...]
Archivé sous: teny malagasy | Tagué : dokotra, fandeferana, gisa, mamba | Laisser un commentaire »
Posté sur avril 26, 2008 par avylavitra
AMALONA SY SAHONA
“Matin-kanin-kely toa amalona”
Indray takariva nandrahona :
Taitra ity sahona,
Fa tana-mangeja, farango mandratra
Namely ny tratra!
Dia nandro tsy fidiny tao an-kamory;
Nandao ny sakaiza niaraha-nivory
Ka very ny tory!
Amalo-masiaka no mba mihantàna:
“Vonjeo aho, Dada, fa ngoly sy àna!”
- Mangina fa remby! - Nandrapaka izy
Kanefa voafintana mora, rankizy
Izay no tantara mba tian-ko lazaina ;
‘Zay hendry, misaina!
Archivé sous: teny malagasy | Tagué : amalona, remby, sahona | 1 commentaire »
Posté sur avril 26, 2008 par avylavitra
LAMBO SY VITSIKA
“Hanao ahoana ianao? Izy efa main’ny afo natsangany”
Aza ketrina, mitady voina!
ity tantara ity, ange,henoina
Tao amoron’ala, ‘ndray hariva,
Tamin’ny harongana ivaiva:
Nisy tranom-biby — vitsikambo!
Ary raha nandalo teo ny lambo,
Dia nahita:, faly, nanantena,
Toy ny saka manimbolo hena!
Ravo koa ny zanany eo afara
(Tsy mba lainga ity, fa tantara!)
Dia nodoniny ilay hazo kely
Raraka ny vitsika! namely!
Renilambo mianakavy:tototra!
Taitra! nefa [...]
Archivé sous: teny malagasy | Tagué : Add new tag, lambo, tononkalo, vitsikambo | Laisser un commentaire »