Saronankarona

Ny ranontrambo no be fiavy fa mora ritra, fa ny arahaba atolotra anareo kosa toy ny jojon’erika ririnina, madini-piavy fa mahavonto tany. Koa arahaba tompokolahy, arahaba tompokovavy.
Ny SAKELIKA
**************
Fanolotra aorian’ny vodiondry ny sakelika ary misy fito no isany. Iray amin’ireny no atolotra anao eto.
Ny saronankaron-drahavavy: mandritra ny fampakaràm-bady dia harona roa mifanàrona takian’ny mpamoaka ny tovovavy [...]