Rehefa mihaino fampahalalam-baovao ianao, indrindra mikasika ny resaka vola, na miresaka isa fotsiny izao, dia fandre matetika ny hoe “TSY TOKO TSY FOROHANA“. Ohatra: “Vola be tsy toko tsy forohana no lany tamin’ny fanamboarana itsy na irao, ary dia vahoaka maro tsy tambo ho isaina no tonga nanatrika ny fanokànana ny zava-bita.”
Samy “hamaroana” no hevitra tian’ilay mitatitra teny ho lazaina amin’io. Nefa misy hadisoana goavana ataony ao. Tsy inona izany fa ny fampiasana ny teny hoe “TSY TOKO TSY FOROHANA”.
Raha ataoko mivantambantana ny fanazavàna azy amin’ny alalan’ny ohatra hafa (mba hahamora ny fanakàrana ny tian-kambàra), dia diniho anie ity teny iray ity e! “TSY KITAY TSY VARIMAINA”. Angamba ho takatry ny rehetra avy amin’io fa milàza fahabangàna, fahasahirànana sy tsy fisiana ny ohatra naroso.
Noho izany ny hoe “TSY TOKO” dia midika fa “TSY MISY TOKO” (ilay tongotra telo natao solom-pàtana tamin’ny andron’ny Ntaolo mba hahandroana sakafo. Ny hoe ‘TSY FOROHANA” dia “TSY MISY FOROHANA”, na ho tsoriko fotsiny amin’ny hoe “TSY MISY KITAY” mba tsy hahalàva loatra ny fanazavàko. Fanta-tsika angamba ilay fiteny hoe tapa-porohana sisa tsy may, mba hilazàna izay sisa tavela tamin’ny fanavotam-pirenena, ohatra, na izay sisa tavela tamin’ny tantàra iray voafaritra mazàva. Koa raha miteny ianao fa misy ny tapa-porohana sisa, ny tianao hambara dia mbola misy izany ny sisan-kitay tsy levona.
Aleo lavitra izany mampiàsa ny teny hoe “Vola be tokoa, na an-tapitrisany maro, na tsy tambo ho isaina, toy izay mampiàsa iry naroso ery ambony. Satria manjary mifanohitra tanteraka izay lazaina sy ny tena zava-nisy marina tiana hampitaina amin’ilay resaka.
Archivé sous: teny malagasy | Tagué : forohana, kitay, toko
tena sarotra ny teny malagasy e!
misaotra @ toro hevitra
mazotoa @ fandalinana e!
Misaotra fa dia nahaizan-javatra ity lahatsoratra iray ity e
.