Ny zaza mankeo ampofoan-dreniny, te-hotrotroina, ny zaza mankao an-damosiny kosa te-hobabena. Izahay kosa raha manolotra ny arahàba dia te-haneho fifaliana aminareo. Koa am-pifaliana tanteraka hatrany no iarahabàna anareo. Mba ho toy ny maitso ririnina anie ianareo, ka ny lohataona sy ny fahavaratra e, iaraha-misalahy amin’ny hafa, fa ny ririnina, tombon-dahiny manokana.
NY FANAMBADIANA
Lava ny resaka momba ny torotoro ravina teo aloha teo satria sarobidy sy saro-pady tamin’ny Ntaolo ny fanambadiana, nefa hoy ny Ntaolo hoe “Aleo lava dinika satria izay lava dinika, hono, lava rariny , ary ny hanongotsongoana ny maty dia satria atahorana ny hanirim-belona“
Ny fanambadiana mantsy tsy mba toy ny torimason’akoho ka ho vitan’anjona (teny iray tarika amin’ny hoe mianjonanjona), na toy ny torimasom-baviantitra ka vita eny ampitsongoana anana, na sakafom-boay ka vita teli-moka (voatelina tsy mila tsakoina). Fa lamban’akoho ka faty no isarahana. Taon-jezika an-kady (fitaomana no lazaina eto fa tsy taona toy ny hoe 2008 akory) ka ny masoandro maty no mampalahelo. Ary torimason’ny jamba ka aina no fetra.
Amin’ny fanambadiana dia aleo tsy manana toy izay manan-dratsy. Aleo aza misonenika an-toerana, toy izay mitsangan-tsy mahay.
Koa rehefa mafy àry ny fototra, tsara ny fifanaràhana eo amin’ny roa tonta, izay vao tena vita ny ataon-tsika hoe torotoro ravina. Aorian’izany vao atolotra ny fehin’ny fanambadiana na ny orimbaton’ny fanambadiana, na ny fanorenam-panambadiana, dia ny VODIONDRY izany. Zava-dehibe io vodiondry io ka ho entintsika amin’ny manàraka eto ny tantàrany, ny heviny ary ny maha-zava-dehibe izany vodiondry izany
Izay indray aloha ny zava-bita, fa amin’ny manaraka indray mifankahita. Hametraka ny veloma finaritra, ho tojo ny soa maharitra. Mandra-panoratra tompokolahy sy tompokovavy
Filed under: teny malagasy Tagué: | dinika, fanambadiana, torotor ravina




Miarahaba Tompoko,
Eo andalam-pianarana Kabary ny tenako ary ny tranon-kala tahaka izao no tena manintona ahy, ny hetahetako anefa dia raha mba misy afaka mandefa Teny fampidirana (fiarahabana) sy teny Fisaorana ary Firariantsoa azo ampiasaina ato. DIa misaotra indrindra fa efa nisy moa hitako azo nalaina ihany fa manantena raha mbola misy entanim-pitiavana mandefa ihany.
Mialisoa
Miarahaba anao,
Na dia tsy mpampianatra kabary aza ny mpanoratra eto, dia hiezaka kosa hitady sy hanontany namana mba ho fanampiana anao.
manakory daholo, zah ko mitovy @ herinjaka mitady ohatra atao fianatra (fanokafana_vohavaravarana sy ny fampidirana_tetezamita ranjan-kabary) ary mety misy boky azo indramina ve na tranokala azo tsidihana momba ny kabary fotsiny fa sady tsy fotoana andehanana tranom-pamakiam-boky no tsy ampy sera. misaotra mialoha an’izay vonon-kanampy sy hanome soso-kevitra.
ary le fanambadiana ve tonga ho azy sa mety efa niriana indrindra fa avy @le lehilahy. tokony hiaraka firy taona no afaka miditra @ fanambadiana @zay? manantena valiny mahafa-po reto zah. mandra-panoratra indray e!