Posté sur janvier 30, 2008 par avylavitra
Ny tanora raha mifampiarahaba dia tsy mila misoka-bava, dona kely raha mifankahita, tehatehaka dia samy vita. Faly miarahaba anareo tompokolahy sy tompokovavy. Enga anie ianareo mba ho mamboly manana ny maitso fa tsy mpivarotra manana ny malazo.
Torotoro ravina (farany)
Ny momba ny zaza ateraky ny mpivady
hoy ny mpamoaka an-dravehivavy: “Ny zanaka nampanambadiana lasan’ny olona, omby namidy [...]
Archivé sous: teny malagasy | Tagué : fanambadiana, zaza ampy mira | 2 Commentaires »
Posté sur janvier 28, 2008 par avylavitra
Ny torotoro ravina (tohiny)
ny paiso tsy mandingana taona, ny alina tsy mialoha ny maraina. Na dia varimbarin’ny ela tsy nihaona aza, ny arahàba tsy mba azo dikàina. Koa arahàba indray tompokolahy, arahàba tompokovavy. Mba ho mamy tian’ny soa anie ianareo, ary hangidy lavitry ny faty.
Ho tohin’ny resaka efa nifanaovana dia ireto aroso indray izany ho [...]
Archivé sous: Uncategorized | Tagué : fanambadiana, kitay telo an-dàlana, torotoro ravina | Laisser un commentaire »
Posté sur janvier 25, 2008 par avylavitra
Ny arahàba raha toa mahazo làka dia toy ny volamena tsy mba miofo.Koa arahaba Tompokolahy, arahaba Tompokovavy.
Enga anie ny fifampizarantsika toy izao ho toy ny fihaonan’ny farihy manganohano sy ny diavolam-pararàno, ka ny vangiana miramiran-tàva, ny mpamangy kosa e! sariaka lalandàva.
Ny hojerentsika hanombohana azy ity ary dia ny :
Ny torotoro ravina
izy io fifamarafarana ny [...]
Archivé sous: teny malagasy | Tagué : fanambadiana, marimaritra iraisana, torotoro ravina | 4 Commentaires »